Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tantanan'ny Mpamorona sy tohanany ny zavaboary.

Daty
Zoma 15 August 2025

 "Mihirà fiderana ho an 'i Jehôvah ; Mankalazà an 'Andriamanitsika amin'ny lokanga, izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra." — Sal. 147:7,8.

Mofon’aina:
Tsy miasa ho an'ny tenany ny natiora fa manompo ny Mpamorona azy. Tsy manafoana ny lalàny Andriamanitra na miasa manohitra azy ireny; mbola mampiasa ireny hatrany Izy amin'ny maha-fitaovany ireny. Ny zavaboary dia mijoro ho vavolombelon'ny fahaizana, ny fanatrehana, ny hery izay miasa ao aminy sy amin'ny alalany ary any ankoatry ny Ialàna mifehy azy. Miasa tsy tapaka ao amin'ny zavaboary ny Ray sy ny Zanaka. Hoy i Kristy: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:17. 

Vitan'Andriamanitra ny asa famoronana nataony, nefa mbola miasa amin'ny fihazonana ireo zavaboariny hatrany ny Heriny. Tsy mandeha amin'ny herin'ny tenany ny vatana raha manohy ny asa napetraka hataony hatrany am-boalohany ka mampitepo ny fo sy mampisy ny fofonaina. Ny fofonaina tsirairay sy ny fitepon'ny fo dia porofon'ny fikarakarana manenika ny tena manontolo ataon'Ilay ivelomantsika sy tompon'ny aintsika.

Tsy noho ny herintsika tsy akory no mahatonga ny tany hamokatra be isan-taona sy hanohy ny fihodinany amin'ny masoandro. Ny tanan'Andriamanitra no mitantana ireo planeta ary mihazona izany amin'ny fihodinany eny amin'ny lanitra. Amin'ny alalan'ny heriny no mampiroborobo ny zava-maniry sy mampipoitra ny ravin-kazo ary mampamelana ny voninkazo. Ny teniny no mifehy ireny; noho ny Aminy no mampisy voa eny an-dohasaha. Izy no mandrakotra rahona ny lanitra, ary manomana ranon'orana ho an'ny tany; Izy no "mampaniry ahitra ny tendrombohitra". "Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; mampiely fanala tahaka ny tavenona Izy". "Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny farany tany; manao ny helatra ho amin 'ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin 'ny firaketany." - Sal. 147:8,16; Jer. 10:13. (...)
Eo amin'ny asan'ny tanany rehetra ny fiahiany. Tsy misy zavatra lehibe loatra ka tsy ho voafehiny ary tsy misy zavatra kely loatra ka tsy ho hitany. — ST, 20 Marsa 1884. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal