Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona momba ny tombambidin'ny fankatoavana ny lalàna

Daty
Talata 19 August 2025

 "Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany,  raha tsy avelan'ny Rainareo." — Mat. 10:29.

Mofon’aina:
Entin'Ilay Mpampianatra Lehibe hifandray amin'ny zavaboary ny mpihaino Azy mba handrenesany ilay feo izay miteny amin'ny voary rehetra. Rehefa mihamalefaka ny fony ary vonon-kandray ny sainy dia nampiany hahatakatra ny fampianarana ara-panahy ao ambadik'izay hitan'ny masony izy ireo. Ireo fanoharana, izay fomba tena tiany hampitana ny leson'ny fahamarinana, dia maneho ny fivelaran'ny Sainy eo amin'ny hery miasa manginan'ny zavaboary sy ny fitiavana manome lesona ara-panahy eo amin'ny fiainana andavanandro.

Ireo vorona eny amin'ny habakabaka, ireo lilia eny an-tsaha, ny mpamafy sy ny voa afafy, ny mpiandry ondry sy ny andian'ondriny, tamin'ny alalan'ireo no nanehoan'i Kristy sary an'ohatry ny fahamarinana tsy mety maty. Nandray toe-javatra teo amin'ny fiainana andavanandro koa Izy, zava-misy izay mahazatra ireo mpihaino Azy ny masirasira, ny harena miafina, ny perila, ny harato-tarihina, ilay farantsa kely very, ilay zanaka adala, ny trano teo ambony vatolampy sy fasika. Nisy zavatra mahaliana ny sain'ny rehetra sy antso niantefa tamin'ny fo hatrany tao amin'ny lesona nomeny. Amin'izany ny adidy andavanandro, raha nifantoka fotsiny tamin'ny asa ka mihazona ny saina tsy hisandratra ambony, dia hahazo fahazavana sy fanandratana avy amin' ilay mpampahatsiaro tsy miato momba ny zava-panahy sy ny tsy hita maso. 

Tokony hampianatra isika, araka izany. Aoka ireo ankizy hianatra hijery eo amin'ny zavaboary ny fanehoana ny fitiavana sy ny fahen-dren'Andriamanitra. Aoka ny fisainana momba Azy hampifandraisina amin'ny vorona sy ny voninkazo ary ny hazo; aoka ny zavatra hita maso rehetra ho mpanambara ny amin'izay tsy hita maso, ary ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana ho fitaovana mahomby hampitan'Andriamanitra fahalalana. 

Raha eo am-pianarana ireo lesona eo amin'ny voary rehetra sy ireo fanandramana eo amin'ny fiainana izy ireo, dia aoka hahatsapa fa ny lalàna mifehy ny zavaboary sy ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana no mifehy antsika koa. Nomena hahasoa antsika izany, ary ny fankatoavana izany ihany no ahitantsika ny tena fahasambarana sy ny tena fahombiazana. - Fk, tt. 111, 112. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal