Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zava-tsarobidy rantsanana na diovina

Daty
Alarobia 20 August 2025

"Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho." — Isa. 48:10.

Mofon’aina:
Ny afo fandrendrehana dia tsy natao hanimba, fa hanadiovana sy hanatsarana ary hanamasinana. Raha tsy misy ny fitsapana, dia tsy ho tsapantsika loatra ny filantsika an'Andriamanitra sy ny fanampiany; ka hanjary hiavonavona sy hihevitra ho mahavita tena isika. Ao anatin'ny fitsapana no tokony hahitantsika porofo fa miahy antsika Andriamanitra, ary maniry ny hisintona antsika ho eo Aminy. Tsy ny finaritra no mila mpitsabo fa ny marary; ireo izay poritra mafy ka mila tsy haharitra intsony no mila fanampiana.

Ny antso atao amin'ny hiaretantsika ny fizahan-toetra dia manaporofo fa mahita zava-tsarobidy ao amintsika Andriamanitra, ary irinyny hampitombo izany. Tsy hisahirana handrantsana antsika Izy raha tsy mahita na inona na inona izay mety hiderana ny Anarany. (...) Tsy mandefa vato tsy misy vidiny ao anaty afo fandrendrehana i Kristy, fa ireo vato sarobidy no zahany toetra.

Ataon'ny mpandrendrika ao anaty afo ny vy sy ny firaka mba hahafantarany ny toetrany. Avelan'Andriamanitra ho ao anatin'ny afon'ny fahoriana ireo voafidiny mba hahitany ny toetr'izy ireo (...).

Mety mbola betsaka ny asa tokony hotanterahina amin'ny fanorenan-toetrantsika; mety ho vato tsy mbola voapaika ianao ka tsy maintsy hahitsy sy lamaina mialoha ny hametrahana anao amin'ny toeranao ao amin'ny tempolin 'Andriamanitra. ( ...) Tsy misy olombelona mahavita izany asa izany, fa Andriamanitra irery ihany. Ary aoka ianao hahazo antoka fa tsy hanao fipaihana tsy mitondra soa izy, fa ny fipaihana tsirairay ataony dia amim-pitiavana, hiantoka ny fahasambaranao mandrakizay. Fantany ny kilemanao, ary miasa Izy mba hamerina amin'ny laoniny fa tsy hanimba.

Rehefa misy fizahan-toetra toa tsy hay hazavaina, dia tsy tokony havelantsika ho simba ny fiadanan-tsika. Na toy ny ahoana aza ny tsy rariny atao amintsika, aoka tsy hirehitra ny fahatezerana. Manimba ny tenantsika ny fiheverana hamaly faty, sady manimba ny fitokiantsika amin'Andriamanitra izany no mampalahelo ny Fanahy Masina. (...). — ST, 18 Aogôsitra 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal