"Ary Izay manome voa ho an 'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an 'Andriamanitra." — 2 Kôr. 9:10,11.
Mofon’aina:
Koa satria mandray tsy tapaka ny fitahian' Andriamanitra isika, ia tokony hanome hatrany koa. Rehefa tsy manome antsika intsony ilay Mpanome any an-danitra, izay vao azo ekena ny fialan-tsiny ataontsika; satria tsy hanana na inona na inona homena isika amin'izay fotoana izay. Tsy mbola nisy fotoana tsy nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany, fa nanao tsara tamintsika hatrany Izy. Omeny ranon'orana avy any an-danitra sy taon jing isika, omeny betsaka amin'ny fahalalahan-tanany isika ary fenoiny fifaliana ny fontsika. Efa nilaza Izy fa "raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny aiina."
Eo amintsika isa-minitra ny fikara-karan' Andriamanitra izay tohanan' ny heriny. Mamelatra ny latabatsika Izy ary manisy sakafo eo. Manome torimaso mamy sy mamelombelona antsika koa Izy. Isan-kerinandro dia omeny Sabata isika, mba hitsaharantsika amin'ireo asa fanao sy hiderantsika Azy any an-tranony. Nomeny antsika ny Teniny ho fanilon'ny tongotra sy fanazavana ny lalana alehantsika. (...) Ambonin' ny zavatra rehetra Ilay fanomezana tsy misy fetra avy amin'Andriamanitra, ny Zanany malala, izay mampikoriana ireo fitahiana hafa ho amin' izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy.
Azo antoka fa momba antsika isaky ny indray mandingana ny fahatsaran' Andriamanitra sy ny famindrampony. Raha tsy hoe isika mihitsy angaha no maniry ny hiatoan'Andriamanitra tsy handrotsaka ny fitahiany amintsika, ka hanontany hoe: tsy misy fetra ve ny fanomezana? Tsy hoe tokony hamerina amim-pahatokiana ny ampahafolony amin'Andriamanitra fotsiny isika, izay voalazany fa Azy, fa tokony hitondra fanomezana feno Naja ho fanati-pankasitrahana ao amin'ny trano firaketany koa. Andeha hoentintsika amin'ny fo feno fifaliana eo amin'Ilay Mpamorona antsika ny voaloham-bokatry ny fanomezana feno fahalalahan-tanana avy Aminy — ny fananantsika tsara indrindra, ny fanompoantsika tsara sy masina indrindra. — RH, 9 Febroary 1886.