Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Milaza ny amin'ny Mpamorona ny zavaboary

Daty
Sabotsy 23 August 2025

"Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy. Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony." Sal. 69:34,35.

Mofon’aina:
Notendrena ho mpanambara ny momba an'Andriamanitra ny zavaboary iray manontolo. Ho an'i Adama sy i Eva tao amin'ny fonenany tany Edena, dia fenon'ny fahalalana an'Andriamanitra ny natiora, feno torolalana avy amin' Andriamanitra. (...) Vantany vao nandika ny lalàn'ny Avo Indrindra ireo mpivady feno fahamasinana ireo, dia niala teo amin'ny zavaboary ny famirap iratan' ny endrik'Andriamanitra. Nanjary simba sy voaloton'ny fahotana izany. Tsy mbola voafafa anefa ireo lesona avy amin'Andriamanitra; ary rehefa dinihina araka ny tokony ho izy sy halalinina ny zavaboary, dia hita fa miresaka momba ny Mpamorona.

Tahaka ny anehoana ny fahamarinan' Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no anehoana izany koa, toy ny amin'ny fitaratra, eo amin'ny zavaboary; ary amin'ny alalan'ny zavaboariny no mahatonga antsika hifankazatra amin'ny Mpamorona. Manjary bokin-desona lehibe ny bokin'ny natiora, izay azon'ny mpanabe hendry ampiasaina, miaraka amin'ny Soratra Masina, mba hamerenana ireo ondry very ho ao am-balan'Andriamanitra. Rehefa dinihina ny asan-tanan'Andriamanitra, dia mitondra faharesen-dahatra ao an-tsaina ny Fanahy Masina. Tsy faharesen-dahatra izay ateraky ny fisainana manaraka ny lôjika anefa izany. Raha tsy hoe maizina loatra ny saina ka tsy mahalala an'Andriamanitra, jambena loatra ny maso ka tsy mahita Azy, harafesenina loatra ny sofina ka tsy mahare ny feony, dia ho takatra ny hevitra lalindalina kokoa ao amin'ny Soratra Masina ary ho tafatoetra ao am-po ireo fahamarinana ara-panahy ao.

Ny fomba mahomby indrindra hoenti-mampianatra ny jentilisa izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra dia amin'ny alalan'ny asan'ny Tanany. Amin'izany fomba izany izay mora lavitra noho ireo fomba hafa no hitarihana azy habita ny fahasamihafana eo amin'ireo sampiny, ny asan'ny tanany, ary ilay Andriamanitra tena izy, dia ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. — STE, 58-60. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal