Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahian-dehibe avy amin'ny fitsaharana ho an'ny tany

Daty
Alahady 24 August 2025

 "Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra; .fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah; aza mamafy  amin'ny taninao hianao, ary aza mamboatra ny sahanao." — Lev. 25:3,4.

Mofon’aina:
Ny fetin'ny tabernakely, na ny fety fij inj ana miaraka amin'ireo fanatitra avy tamin'ny tanim-boankazo sy ny saha, ny fitoerana tamin'ny trano rantsan-kazo, ny fivoriana, ny fanompoam-pivavahana masina, ny fandraisana mahafatra-po ireo mpiasan' Andriamanitra, ny Levita mpanompo tao amin'ny tabernakely sy ireo zanany, ireo vahiny sy ny mahantra, dia namohafoha ny saina ho amin' ny fankasitrahana an'Andriamanitra izay nandravaka ny taona tamin'ny fahatsarany, ka nameno zava-tsoa ny lalan-kalehany.

Volana iray manontolo isan-taona no natokan'ireo Isiraelita tia vavaka ho amin'izany. Fotoana izay tsy iasana na anaovana raharaha izany, ary saika natokana indrindra ho amin'ny tanjon'ny fanabeazana.

Ny hampianatra ny vahoakany ny amin'ny fitsipika ara-drariny mikasika ny fananan-tany, izay nampitainy tamin' ny taranaka nifandimby no tanjon' Andriamanitra raha nizara ny lova tamin'izy ireo. Nozaraina tamin'ny olona rehetra ny tany Kanana, afa-tsy ireo Levita ihany, izay mpanao raharaha tao amin'ny tabernakely ka tsy voakasik'izany. Na dia afaka nampiasa amin-kalalahana ny taniny aza ny rehetra dia tsy azo natao ny manakalo ny lovan'ny taranany. Raha nisy nanao izany dia manana zo haka izany indray amin'ny fotoana rehetra izy; afoy ny trosa rehetra rehefa tapitra ny fito taona, ary amin'ny fahadimampolo taona, taon-jôbily, dia averina amin'ny tompony avokoa ny tany rehetra. (...)

(...) Fomba fanabeazana iray ihany koa ny fampitsaharana ny asa fambolena isaky ny fito taona; tsy novolena ny tany ary navela ho an'ny malahelo ny vokatra. Nahazoana tombontsoa handinihana ny fifandraisana eo amin' ny fiarahamonina sy ny fanompoam-pivavahana izany, ary koa hanaovana asa soa, izay matetika no saron'ny vesatry ny fiainana sy ny asa mahasasatra. 

Ho hafa tokoa ny fiainan'ny olona raha ampiharina ao amin'ny tontolo misy antsika ankehitriny ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra mikasika ny fizaram-pananana. - Fk, tt. 41, 42, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal