Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tokony hasaina ny tany vaon'ny fon'olombelona.

Daty
Zoma 29 August 2025

"Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an'i Jehôvah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo." — Hôs. 10:12.

Mofon’aina:
Tiako ny hananatra ireo izay manana andraikitra mba hifohazany   hanao izany, ka tsy hampidi-doza ny fahamarinana ankehitriny amin'ny fampiasana lehilahy sy vehivavy tsy mahomby amin'ny fanaovana ny asan' Andriamanitra. (...) 

(...) Mampahatanjaka ny tanorantsika ny fandehanana any amin'ny saha vaovao, ary miasa amin'ny tany vaovaon' ny fon'olombelona. Hitondra azy ireo hanakaiky kokoa an'Andriamanitra izany asa izany. Hanampy azy ireo hahita izany fa tsy mahomby izy raha miasa samirery.

Tokony ho an'Andriamanitra tanteraka izy ireo. Tsy maintsy manilika ny fiheveran-tena ho ambony izy, ka mametraka an'i Jesôsy Kristy ho ambony. Rehefa manao izany izy, dia hanolo-tena handeha ivelan'ny toby, ary hilanja enta-mavesatra tahaka ny miaramila tsaran'ny hazo fijaliana. Hihamahomby izy ary hahazo fahaiza-manao amin'ny fahafehezana ny toe-java-tsarotra sy ny fandresena ny sakana. Ilàna mpiasa ny toerana be andraikitra, saingy tsy maintsy ireo izay nanome porofo tamin'ny fanekena hitondra ny ziogan'i Kristy izany. (...)

Mananatra anao aho hanao odi-maso, mba hahitanao ny zavatra asain'Andriamanitra hataonao. Maro loatra ny toriteny atao nefa tsy ahitana an'i Kristy. Ny andian-teny tsy misy aina lazaina dia efa ampy hampiseho ny fihemoran'ny olona. Hanampy antsika anie Andriamanitra ka ho amintsika ny Fanahiny. Tsy tokony hiandry ny fodiana isika vao handray ny fitahian'ny lanitra. Ny mpitandrina dia tokony hanomboka hitady an'Andriamanitra miaraka amin'ny vahoaka, ary hiasa araka ny tokony ho izy. Ireo izay ela niasana dia nianina fotsiny tamin'ny fiandrasana ny ranon'orana farany hirotsaka mba hitondra fifohazana ho azy.

Isika dia (...) tahaka an'i Jaona, asaina manamboatra ny lalan ' i Jehôvah; ary raha voaomana ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany isika, dia tsy maintsy miasa amim-pahazotoana mba hanomana ny hafa ho amin'izany (...). Andriamanitra anie hanampy antsika handinika ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika, ary rehefa feno ny fahamarinan'Andriamanitra isika, dia hiboiboika avy ao anatintsika tahaka ny rano avy amin'ny loharano velona izany. — RH, 8 Oktôbra 1889.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal