"Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo." — Hôs. 10:12.
Mofon’aina:
Tiako ny hananatra ireo izay manana andraikitra mba hifohazany hanao izany, ka tsy hampidi-doza ny fahamarinana ankehitriny amin'ny fampiasana lehilahy sy vehivavy tsy mahomby amin'ny fanaovana ny asan' Andriamanitra. (...)
(...) Mampahatanjaka ny tanoran-tsika ny fandehanana any amin' ny saha vaovao, ary miasa amin'ny tany vaovaon' ny fon'olombelona. Hitondra azy ireo hanakaiky kokoa an'Andriamanitra izany asa izany. Hanampy azy ireo hahita izany fa tsy mahomby izy raha miasa samirery.
Tokony ho an'Andriamanitra tan-teraka izy ireo. Tsy maintsy manilika ny fiheveran-tena ho ambony izy, ka mametraka an'i Jesosy Kristy ho ambony. Rehefa manao izany izy, dia hanolo-tena handeha ivelan'ny toby, ary hilanja enta-mavesatra tahaka ny miaramila tsaran'ny hazo fijaliana. Hihamahomby izy ary hahazo fahaiza-manao amin'ny fahafehezana ny toe-java-tsarotra sy ny fandresena ny sakana. Ilàna mpiasa ny toerana be andraikitra, saingy tsy maintsy ireo izay nanome porofo tamin'ny fanekena hitondra ny ziogan'i Kristy izany. (...)
Mananatra anao aho hanao odi-maso, mba hahitanao ny zavatra asain' Andriamanitra hataonao. Maro loatra ny toriteny atao nefa tsy ahitana an'i Kristy. Ny andian-teny tsy misy aina lazaina dia efa ampy hampiseho ny fihemoran'ny olona. Hanampy antsika anie Andriamanitra ka ho amintsika ny Fanahiny. Tsy tokony hiandry ny fodiana isika vao handray ny fitahian'ny lanitra. Ny mpitandrina dia tokony hanomboka hitady an'Andriamanitra miaraka amin'ny vahoaka, ary hiasa araka ny tokony ho izy. Ireo izay ela niasana dia nianina fotsiny tamin'ny fiandrasana ny ranon'orana farany hirotsaka mba hitondra fifohazana ho azy.
Isika dia (...) tahaka an'i Jaona, asaina manamboatra ny lalan ' i Jehôvah; ary raha voaomana ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany isika, dia tsy maintsy miasa amim-pahazotoana mba hanomana ny hafa ho amin'izany (...). Andriamanitra anie hanampy antsika handinika ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika, ary rehefa feno ny fahamarinan'Andriamanitra isika, dia hiboiboika avy ao anatintsika tahaka ny rano avy amin'ny loharano velona izany. — RH, 8 Oktôbra 1889.