"Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo." — Jao. 16:13.
Mofon’aina:
Ny andro tsirairay mandalo dia mampanakaiky antsika amin'ny farany. Mampanakaiky antsika amin'Andriamanitra koa ve izany? Miambina amin'ny fivavahana ve isika? Mila fanampiana sy torolalana ireo izay mifanerasera amintsika isan'andro. Mety miaina toe-javatra iray izy, ka ny teny mahakasika izany izay asain'ny Fanahy Masina ambarantsika dia ho tahaka ny fantsika mitsatoka eo amin'izay tokony hisy azy indrindra. Rahampitso, ny sasany amin'ireo fanahy ireo dia mety ho any amin'ny toerana izay tsy hahatrarantsika azy intsony. Inona no hery miasa mangina avy amintsika eo amin'ireo mpivahiny namantsika ireo? Inona no ezaka ataontsika mba hamaboana azy ireo ho an'i Kristy?
Fohy ny fotoana, ary tsy maintsy alamina ny tafitsika mba hanao asa midadasika kokoa. Ilaina ny mpiasa mahatakatra ny halehiben'ny asa sy manolo-tena hanao izany, tsy noho ny karama azony amin'izany fa noho ny fahatakarana ny fahantomoran'ny farany. Mitaky fiasana lehibe kokoa sy fanoloran-tena lalindalina kokoa ny fotoana. Endrey, mameno ny saiko loatra izany hevitra izany ka mitaraina amin'Andriamanitra aho hoe: "Mitsan-gàna ka maniraha mpitondra hafatra mahatsapa ny andraikitra apetraka aminy, mpitondra hafatra izay efa nanombo tamin'ny hazo fijaliana ny fanindrahindrana ny tenany, izay fototry ny fahotana rehetra." (...)
Andeha hapetratsika amin' Andriamanitra ny fitokisantsika ka handroso haingana isika, hanao ny Asany tsy amim-pitiavan-tena, hiankina Aminy amim-panetren-tena, hanolotra ny tenantsika sy ny fiainantsika anio sy amin'ny hoavy hotantanany amim-pahendrena, hihazona ny fitokisantsika tsy miovaova hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, hahatsiaro fa tsy noho ny fahamendrehantsika no handraisantsika ny fitahian'ny lanitra fa noho ny fahamendrehan'i Kristy, ary hanaiky ny fahasoavan'Andriamanitra manana amby ampy amin'ny alalan'ny finoana Azy. — TFC, b. 9, U. 27-