Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiasana sy fanoloran-tena lehibe kokoa.

Daty
Sabotsy 30 August 2025

"Fa raha tonga ny Fanahin'ny Fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo." — Jao. 16:13.

Mofon’aina:
Ny andro tsirairay mandalo dia mampanakaiky antsika amin'ny farany. Mampanakaiky antsika amin'Andriamanitra koa ve izany? Miambina amin'ny fivavahana ve isika? Mila fanampiana sy torolalana ireo izay mifanerasera amintsika isan'andro. Mety miaina toe-javatra iray izy, ka ny teny mahakasika izany izay asain'ny Fanahy Masina ambarantsika dia ho tahaka ny fantsika mitsatoka eo amin'izay tokony hisy azy indrindra. Rahampitso, ny sasany amin'ireo fanahy ireo dia mety ho any amin'ny toerana izay tsy hahatrarantsika azy intsony. Inona no hery miasa mangina avy amintsika eo amin'ireo mpivahiny namantsika ireo? Inona no ezaka ataontsika mba hamaboana azy ireo ho an'i Kristy?

Fohy ny fotoana, ary tsy maintsy alamina ny tafitsika mba hanao asa midadasika kokoa. Ilaina ny mpiasa mahatakatra ny halehiben'ny asa sy manolo-tena hanao izany, tsy noho ny karama azony amin'izany fa noho ny fahatakarana ny fahantomoran'ny farany. Mitaky fiasana lehibe kokoa sy fanoloran-tena lalindalina kokoa ny fotoana. Endrey, mameno ny saiko loatra izany hevitra izany ka mitaraina amin'Andriamanitra aho hoe: "Mitsangàna ka maniraha mpitondra hafatra mahatsapa ny andraikitra apetraka aminy, mpitondra hafatra izay efa nanombo tamin'ny hazo fijaliana ny fanindrahindrana ny tenany, izay fototry ny fahotana rehetra." (...)

 Andeha hapetratsika amin'Andriamanitra ny fitokisantsika ka handroso haingana isika, hanao ny Asany tsy amim-pitiavan-tena, hiankina Aminy amim-panetren-tena, hanolotra ny tenantsika sy ny fiainantsika anio sy amin'ny hoavy hotantanany amim-pahendrena, hihazona ny fitokisantsika tsy miovaova hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, hahatsiaro fa tsy noho ny fahamendrehantsika no handraisantsika ny fitahian'ny lanitra fa noho ny fahamendrehan'i Kristy, ary hanaiky ny fahasoavan'Andriamanitra manana amby ampy amin'ny alalan'ny finoana Azy. — TFC, b. 9, U. 27-

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal