Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.

Daty
Alarobia 20 August 2025

NY ANJARA ASA TANAN'NY LALAN'ANDRIAMANITRA.

Mampiseho ny toetran'Andriamanitra ny lalany. Koa satria masina sy marina ary tsara Andriamanitra, dia toy izany koa ny didiny. Manamafy izany i Paoly: "Ka dia masina tokoa ny lalana, ary masina ny didy sady marina no tsara." - Rom. 7:12.

Fomba fijery miabo no ijerena ny lalan'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly (Mat. 5:17,18; Jao. 14:15; 1 Kôr. 7:19). Azo atao ny manoratra tononkalo mahakasika ny lalana (toy ny Sal. 119), mihira momba ny lalana (Sal. 19) ary misaintsaina izany andro aman'alina (Sal. 1:2; Jos. 1:8). Manampy ny olona amin'ny fanalavirana ny faharatsiana ny lalana ary manolo-pahendrena sy manolo-pahalalana; mitondra fahasalamana sy firoboroboana ary fiadanana koa izany (Deo. 4:1-6; Ohab. 2-3).

  1. Toy ny fefy ny lalàn'Andriamanitra, izay manome antsika toerana malalaka iainana ary koa mampitandrina antsika fa ny fihoarana izany dia midika ho loza mananontanona ary koa olana sy toe-java-tsarotra, eny mety ho fahafatesana mihitsy aza (Gen. 2:16, 17; Jak. 2:12).
  2. Takela-by manondro an'i Jesosy Ilay mamela ny helotsika sy manova ny fiainantsika koa ny lalàna (2 Kôr. 5:17; 1 Jao. 1:7-9). Amin'izany no itarihany antsika hankeo amin'i Kristy, toy ny paidagogos, mpikarakara/mpiambina (Gal. 3:24).

Vakio ny Jak. 1:23-25. Inona no ambaran'ireo andalan-teny irea, ary ahoana no anampiany antsika hahatsapa ny anjara asan'ny lalana sy ny lanjany, na dia tsy afaka mamonjy aza Izany?

Afaka mampiseho izay tsy mety eo aminao ny fitaratra, saingy tsy misy na inona na inona azony atao anesorana ireny tsy fetezana ireny. Mampahafantatra ny olana ny fitaratra saingy tsy manome vahaolana hamahana izany. Tahaka izany koa ny lalan'Andriamanitra. Ny fiezahana hahazo ny fanamarinan Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalàna dia sahala amin'ny fibanjinana ny fitaratra noho ny fanantenana fa na ho ela na ho haingana dia hanaisotra izay tsy mety eo aminao izany.

Ny finoana no ahazoana famonjena fa tsy ny asa anisan'izany ny asan'ny lalána. Izany no mahatonga ny Kristianina sasany hilaza fa efa foana ny lalàna ka tsy ilaintsika intsony ny mitandrina azy. Ny fiheverana toy izao dia fahadisoan-kevitra mahakasika ny fifandraisan'ny lalana sy ny filazantsara: ny lalàna no mamaritra ny "fahotana" koa "tsy nahalala ota aho, raha tsy tamin'ny lalana." Rôm. 7:7. Ny fisian'ny lalàna indrindra mantsy no antony mahatonga antsika mila ny filazantsara.

Hatralza ny fahombiazanao teo amin'ny fiezahanao hankatò ny lalàn'Andriamanitra? Ampy mba hanorenana ny famonjena anao eo ambonin'ny lalana ve izany? Raha tsia, nahoana lanao no mila ny filazantsara?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal