FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny namakiana ny lalàna tao Sinay", PM, ed. 1985, tt. 296-301.
Satria mbola eo amin'ny faritanin'ny fahavalo no misy antsika, dia tsy mahagaga raha maratra isika eo amin'ny fiainana, vokatry ny hafetseny sy ny famitahany. Iza amintsika tokoa moa no tsy efa nahatsapa ahatsapa fanaintainana sy sy fahoriana vokatry ny fahotana sy ny maha-eto amin'ity tontolo lavo ity antsika? Indrisy fa anisan'ny fiainantsika izany; kanefa omen'Andriamanitra hery hiatrehana izany isika.
"Handefa fanampiana amin'ny fotoana ilantsika izany indrindra Ilay Mpamonjy sarobidy. Ny dian-tongony no efa nanamasina ny lalana mankany an-danitra. Ny tsilo tsirairay nandratra ny tongotsika dia efa nandratra ny azy koa. Ny hazo fijaliana rehetra asaina iantsorohantsika dia efa nentiny talohantsika. Avelan'ny Tompo hisy ny ady mba hanomana ny fanahintsika ho amin'ny fiadanana. Fizahan-toetra mahamay ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny andro fahoriana; nefa io no fotoana tokony hiandrandran'ny tena mpino tsirairay, ka hahitany amin'ny alalan'ny finoana ny avan'ny teny fikasana manodidina azy." - HM, ed. 1983, t. 659.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Nandritra ny taonjato maro dia sarotra tamin'ny olona ny nahazo an-tsaina fa noroahin'ny Tompo hiala tamin'ny taniny ireo firenena mpanompo sampy ireo, ary mazána aza naringany tanteraka. Mahavaka ny saina tokoa izany. Kanefa fantatsika fa ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy maintsy maneho ny rariny koa; ahoana àry no hanampian'izany antsika hatoky fa na dia tamin'ireny tranga ireny aza, dia ny fitiavany fa tsy ny fahamarinany fotsiny no naseho?
2. Saintsaino ny hoe: taorian'ny tenin'i Jesosy rehetra momba ny tokony hitiavantsika ny hafa, na dia ny fahavalontsika sy izay mankahala antsika aza, dia hoy Izy amintsika: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra" - Mat. 5:48. Nahoana i Jesôsy no nametraka io didy io taorian'ireo didy hafa notanisainy teo aloha? Inona no lazainy amintsika eto momba ny hevitry ny hoe "tanteraka", kanefa tsy izay ihany fa ny hoe koa: "tanteraka (...) toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra"?
3. Tsara sady masina no fahitan'i Paoly apostoly ny lalàn'Andriamanitra sy ny asany, nefa notoheriny ny fampiasana tafahoatra ny lalana. Inona no tiany ambara amin'ny hoe: "Fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana" - Rôm. 6:14? Amin'ny fomba ahoana avy no mety hitandremantsika ny lalàna amin'ny fomba diso?
4. Inona no maha-samy hafa ny rariny sy ny valifaty? Hevitra roa samy hafa tanteraka ve izy ireo sa fanehoana samy hafa hevitra iray ihany? Ahoana no ahafantarantsika raha fitiavana ny rariny tokoa no ao anatintsika fa tsy faniriana hamaly faty?