Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 08 March 2024

Vakio ny Asa. 7 sy ny Heb. 11. Inona no ambaran'ny TV ho tanjon' Andriamanitra faratampony ao anatin'ny drafitra itondrany ny vahoakany eo amin'ny tantara?

Fanambarana mahery vaika ny Salamo tantara fa mahatoky amin'ny vahoakany Andriamanitra. Ny tranga tsirairay eo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra dia dingana eo amin'ny fitantanan'Andriamanitra ho amin'ny fahatanterahan'ny teny fikasany, dia ny amin'llay Mpamonjy nampanantenaina izao tontolo izao, i Jesôsy Kristy avy any Nazareta. Na ny fitsapana mahamay aza, izay matetika mahavery hevitra ny vahoakan'Andriamanitra sy mahatonga azy hihevitra fa nandao azy ireo Andriamanitra, dia mbola eo ambanin'ny fifehezan'Andriamanitra ihany, ary ao anatin'ny drafi-pitantanany aza, satria Izy no Tompon'ny tantara. Hain'ny mpanao Salamo erỳ ny maneho ity fahamarinana ity: tsy mahasakana an'Andriamanitra tsy hahatoky amin'ny vahoakany sy hanatanteraka ny teny fikasany na dia ny tsy fahatokian'izy ireo aza. Kanefa tsy manana anjara amin'ireo fitahian'ny fanekena kosa ireo izay tsy mety mibebaka, ary ny fiafarany mampalahelo dia fampitandremana farany fa mandringana ny olona ny fiainana tsy misy an'Andriamanitra na manohitra Azy.

"Tsy misy na inona na inona tokony hatahorantsika ny amin'ny hoavy, afa-tsy ny hanadinoantsika ny fomba nitarihan'ny Tompo antsika, sy ny fampianarany teo amin'ny tantarantsika hatrizay lasa izay" - LS, t. 196.
Manoro hevitra ny mpino koa i Ellen White mba hamaky ny Sal. 105 sy 106, "farafahakeliny indray mandeha isan-kerinandro." - TMGW, t. 98.

Hita porofo eo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra fa tsy misy tsy tanteraka ny teny fikasana rehetra nataon'Andriamanitra. Mihatra amin'ireo teny fikasany ankehitriny mikasika ny fombany ny isam-batan'olona izany, ary koa ny teny fikasany ny amin'ny hoavy, dia ny fiavian'i Kristy fanindroany, izay hametraka eo amin'ny tany vaovao ny fanjakam-pahamarinana sy fanjakam-piadanan'Andriamanitra.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Inona avy ireo fitahiana avy amin'ny fahatsiarovana ny fitantanan'Andriamanitra ny vahoakany tamin'ny fomba mahatoky teo amin'ny tantara? Inona no vokatry ny fanadinoantsika na ny fanaovantsika tsinontsinona ireo lesona avy amin'ny lasa? Ahoana no ahafahantsika mampihatra izany foto-kevitra izany amintsika, amin'ny maha-flangonana antsika, izay nantsoina ho amin'ny tanjona tahaka ny niantsoana ny Isiraely fahiny koa?
  2. Ahoana no andrisihan'ny Salamo antsika hahatsapa ny fiahian'Andriamanitra antsika eo amin'ny fiainana, arykoa hanam-paharetanasy hatoky ny fitantanan'Andriamanitra, na dia rehefa saro-takarina aza ny anton'ny toe-java-miseho?
  3. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fandinihana ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra hanana toerana manan-danja eo amin'ny fivavahantsika, na isam-batan'olona na eo anivon'ny fiangonana? Ahoana no ahazoantsika mampitombo ny finiavantsika hilaza amin'ny zanatsika ny tantaran'ny vahoakan'. Andriamanitra farany, dia ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal