"Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao." – Mar. 10:19.
Mofon’aina:
Ny olona izay tsy hanaiky ny fitakian'ny lalàn' Andriamanitra, izay mazava tokoa, dia hanana fiainana tsy tan-dalàna ankapobeny; ela niandaniana tamin' ilay mpikomy lehibe mantsy izy ary ela nanoherana ny lalàn'Andriamanitra, izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy ety an-tany, hany ka efa za-draharaha amin'izany ady izany. Tsy sokafan'izy ireo na ny masony na ny sainy mba hidiran'ny fahazavana. Akimpin'izy ireo ny masony, andrao hahazo fahazavana izy ireo.
Tsy misy antenaina ny amin'izy ireny, tahaka ireo Jiosy izay tsy nety nijery ny fahazavana nentin'i Kristy ho azy. Tokony ho nanalefaka sy nampietry ny fony, ary nandresy ny sain-dratsy nibahana tao anatiny ireo porofo mahatalanjona nomen'i Kristy momba ny maha-Mesia Azy, dia ireo fahagagana sy fanasitranana ary fananganana amin'ny maty, izay tsy mbola nisy olona nahavita na ho afaka hanao izany afa-tsy i Kristy. Tsy izany anefa fa mainka nanetsika fankahalana sy haromotana tao anatin' izy ireo izany, dia tahaka ny firehetan'ny fahatezeran'i Satana rehefa noroahina tany an-danitra izy. Arakaraka ny nitomboan'ny fahazavana sy ny porofo nananan'izy ireo, no nitomboan'ny fankahalany koa. Tapa-kevitra hamono ilay fahazavana izy ireo, amin'ny alalan'ny famonoana an'i Kristy. (...)
Ny manararaotra ny fotoana tsirairay no asantsika, mba hanehoana ny fahamarinana amin'ny fahadiovany sy ny fahatsorany any amin'ny toerana izay tsy misy faniriana na fahalianana handre ny anton'ny finoantsika. Ireo izay revo misaintsaina ny faminaniana sy ireo foto-pampianarana ao amin'ny finoantsika, dia aoka ho tonga mpianatra Baiboly mpampihatra amin'ny fiainana, tsy misy hataka andro. Tokony hanovo lalina kokoa ao amin'ny loharanon'ny fahamarinan'Andriamanitra izy ireo. Aoka hodinihiny tsara ny fiainan'i Kristy sy ireo lesona ara-panahy tsotra nomeny. Nataon'i Kristy ho tombontsoa sy ho fitsipi-piainana ho an'izay rehetra mino ny anarany izany. Aoka ho vonton'ny toe-panahin'ilay Ohatra lehibe arahiny izy ireo, ary hanana fiheverana ambony ny fiainana masin'ny mpanara-dia an'i Kristy. —TFC, b. 3, tt. 213,214.