Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miray fo amin'ireo sahirana i Jesosy

Daty
Alakamisy 11 September 2025

 "Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko." - Mat. 25:40.

Mofon’aina:
Nofenoin'Andriamanitra ny fahatsarany ny tany ary nataony ampoky ny zava-tsoan'ny fiainana, koa tsy misy fialan-tsiny mihitsy ny famelana ny trano firaketan'Andriamanitra ho foana. Tsy afa-tsiny ny Kristianina raha manandratra ny fitarainany any an-danitra ny mpitondratena sy ny kamboty noho ny tsy fahampiana mampahory azy ireo, kanefa Andriamanitra, noho ny fahalalahan-tanany, dia efa nametraka harena safononoka teo an-tanan'ireo Kristianina ireo mba hanampiany ny sahirana amin'izay ilainy. (...)

 Eo amin'ny tontolo mitonona ho kristianina dia betsaka tokoa ny vola lany amin'ny fisehoana tafahoatra, toy ny firavaka sy ny haingo, izay ampy hamahanana ny noana rehetra sy hampitafiana ireo mitanjaka ao amin'ny tanàna sy ny vohitra misy antsika; kanefa amin'izany dia tsy voatery hihafy akory ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Jesosy, Ilay malemy fanahy sady tsy miavona am-po, fa hanana sakafo sahaza sy fitafiana mendrika ihany. Inona no holazain'ireo mambran'ny fiangonana ireo rehefa tonga ny andro lehiben'i Jehôvah ka hampifanatrehana aminy ireo mahantra sy nampahorina ary mpitondratena sy kamboty, (...)?

Misy vehivavy izay milaza fa manana toe-panahy araka an'Andriamanitra, kanefa miravaka haban-tanana sy rojo volamena, na firavaka hafa lafo vidy (...). Fahantrana sy fijaliana ary olona fadiranovana anefa no hita eny rehetra eny. Tsy mampiraika azy ireny olona ireny, ary tsy manetsika ny fangorahany akory; kanefa ny fijaliana foronina izay soritsoritana ao amin'ny sarimihetsika nivoaka farany dia mampitomany azy. (...) Izao no holazain'i Kristy amin'ny olona toy izany: "Noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; (..) narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo." – Mat. 25:42,43.

Hoy kosa i Kristy amin'ireo marina: "Noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novan-gianareo. " – Mat. 25:35,36. (...) Dia toy izany ny firaisam-pon'i Kristy amin'ny olombelona mijaly; raisiny ho tombontsoan'ny Tenany ny tombontsoan'izy ireo.   RH, 21 Nôvambra 1878.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal