Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahasoavana ho an'izay mino

Daty
Sabotsy 13 September 2025

 "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy." – Heb. 11:6.

Mofon’aina:
Maro no tafintohina ka very noho ny fampianaran-dison' ireo mpitandrina sasany momba izay mitranga amin'ny fiovam-po. Nisy olona sasany niaina tao anaty alahelo nandritra ny taona maro, niandry porofo azo tsapain-tanana fa eken'Andriamanitra izy ireo. Nisaraka tamin'izao tontolo izao izy ireo, ary mahita fifaliana amin'ny fiarahana amin'ny vahoakan'Andriamanitra, kanefa tsy sahy manambara an'i Kristy ampahibemaso, satria matahotra fandrao ho fahasahiam-poana ny filazany ny tenany ho zanak'Andriamanitra. Miandry ilay fiovana miavaka mifandraika amin'ny fiovam-po izay nasaina ninoany izy ireo. 

Rehefa afaka fotoana voafaritra dia mahazo porofo mivaingana ny amin'ny faneken'Andriamanitra azy tokoa ny sasany, ka dia manaiky ho isan'ny vahoakany. Ary faritany ho izany daty izany no fotoana niovany fo. Naseho ahy anefa fa mialoha io fotoana io no efa natsangana ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra izy ireo. Raha vao nahatsiaro ho tofoky ny fahotana sy tsy nahita tsirony intsony tamin'ny fahafinaretan' izao tontolo izao izy ireo, ary nanapa-kevitra ny hitady an'Andriamanitra amin-kafanam-po, dia efa neken'Andriamanitra. Saingy tsy takany ny fahatsoran'ny drafi-pamonjena, ka veriny ireo tombontsoa sy fitahiana maro tokony ho nangatahiny sy azony raha toa ka nino fotsiny izy ireo fa neken'Andriamanitra, fony izy ireo vao nitodika voalohany tany amin'Andriamanitra. 

Ny hafa indray latsaka amin'ny fahadisoana mampidi-doza kokoa. Fehezin'ny fihetseham-po izy ireo. Voahetsika ny fangoraham-pony, ka izany fientanentanana izany no raisiny ho porofo fa neken'Andriamanitra sy niova fo izy ireo. Tsy niova anefa ireo foto-kevitra eo amin'ny fiainany. Tsy ao amin'ny fihetseham-po fa eo amin'ny fiainana no ahitana ireo porofon'ny asan'ny fahasoavana marina. Hoy ny fanambaran'i Kristy: "ny voany no hahafantaranareo azy." – Mat. 7:20. (...)

Tsy asa vita eo no ho eo tsy akory ny asan'ny fahasoavana eo amin'ny fo. Fiambenana isan'andro sy mitohy, ary finoana ireo teny fikasan'Andriamanitra no mahatanteraka izany. Ireo mibebaka sy mino, izay maniry fatratra ny fahasoavana manavao avy amin'i Kristy, dia tsy havelan' Andriamanitra hangasihasy. — Ev, tt. 286,287. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal