Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihevitra ahy Andriamanitra

Daty
Alakamisy 22 February 2024

“Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin ‘ny tanana ankavanan ‘ny Sahamarinako Aho.” - Isa. 41:10.

Mifandray sy mifanerasera betsaka amin’ireo faritra_tsirairay iadidiany eo amin’ny fanjakany midadasika ny Tompo. Aseho an- tsary Izy miondrika mijery ny tany sy ny mponina ao aminy. Mihaino ny teny tsirairay voatonona Izy. Reny ny fisenton’ny olona, ny vavaka ataony, voadininy avokoa ny fihetsiky ny tsirairay. (...)

Niahy ny vahoakany mandrakariva Andriamanitra. (...) Nampianatra ny mpianany i Kristy fa ny fitsinjovan’Andriamanitra ny voariny dia mifanaraka amin’ny laharana nametrahany azy tamin’ny Famoronana. Nosarihiny ho eny amin’ny vorona manidina ny sain’izy ireo. Tsy misy na dia iray amin’ny tsintsina aza, hoy Izy, ho latsaka amin’ny tany, raha tsy ayelan’ny Rainareo; tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny (Mat. 10:29; Lio, 12:6). Koa raha ny tsintsina aza ahiany, dia azo antoka fa tena sarobidy eo imason’i Kristy ireo fanahy izay namoizany ny ainy. Voascho teo amin’ny hazo fijaliana ny tombam-bidin’ny olona sy ny lanja omen’ Andriamanitra azy.

Tsy nitsaha-nitombo ny famindrampo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ny taranaka lavo, ary tsy mbola niala teto an-tany ny fijeriny.

Marina fa hisy ny fahadisoam- panantenana, tsy azontsika ferana ny fahoriana, kanefa aoka hapetratsika eo an-tanan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, na kely na lehibe. Tsy mahavery hevitra Azy ny habetsaky ny olantsika, ary tsy mba mahatrotraka Azy ny havesatry ny entantsika. Manara- maso ny ankohonana tsirairay Izy ary miahy manokana ny isam-batan’olona: manan-danja eo imasony avokoa ny raharahantsika sy ny alahelontsika. Voamariny ny ranomaso tsirairay; mandona ny fony ny fahatsapana ny rofintsika. Avelany hihatra amintsika ireny fahoriana sy fitsapana rehetra ireny mba hahatanteraka amintsika ny tanjom-pitiavany — “mba handraisantsika ny fahamasinany” — Heb. 12:10, ka hanandramantsika ilay havokisam-pifaliana eo anatrehany (Sal. 16:11). — MLT, t. 292.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal