Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tsiambaratelon'ny famaboana fanahy

Daty
Alatsinainy 15 September 2025

 "Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin 'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao." - Mar 2:3-5.

Mofon’aina:
laina ny hanatonana akaiky ny olona amin'ny alalan'ny fiezahana I-ataon'ny tena mihitsy. Ho bebe kokoa ny vokatra azo raha ahena ny fotoana lanina amin'ny fitorian-teny fa ampitomboina kosa ny fotoana atokana hanaovana asa mivantana. Tsy maintsy vonjena ny mahantra, karakaraina ny marary, ampaherezina ny malahelo sy ny fadiranovana, ampianarina ny kely fahalalana, toroan-kevitra ny tsy ampy fanandramana. Tokony hitomany miaraka amin'ireo izay mitomany isika, ary hifaly miaraka amin' izay mifaly. Raha ampian'ny hery mandresy lahatra izany, sy ny an'ny fivavahana, ary ny an'ny fitiavan'Andriamanitra, dia tsy maintsy hitondra vokatra ary tsy afaka ny tsy hitondra vokatra izany asa izany.

 Tokony hotsaroantsika lalandava fa ny zava-kendren'ny asan'ny dokotera misionera dia ny hampitodika ny lehilahy sy ny vehivavy mararin'ny fahotana ho amin'Ilay Lehilahin'i Kalvary, Izay manaisotra ny fahotan' izao tontolo izao. Raha mibanjina Azy izy, dia hovana hanam-pitoviana Aminy. (...)Ampaherezo izy (ny marary) hametraka ny tenany hokarakarain'Ilay nanome ny ainy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. 

Resaho ny fitiavany, lazao ny heriny mamonjy.

Io no adidy ambony sy tombon-tsoa sarobidy ananan'ny dokotera misionera. Ary ny asa mivantana ataon'ny tena no matetika manokatra ny lalana ho amin'izany. (...)

Saiky eo amin'ny tany ama-monina rehetra dia misy olona betsaka izay tsy mbola nitoriana na oviana na oviana ny Tenin'Andriamanitra na nanatrika fanompoam-pivavahana na taiza na taiza. Raha tiana ho tratry ny filazantsara izy ireny, dia tsy maintsy hoentina any an-tokantranony izany. Matetika ny fanamaivanana ny ilainy eo amin'ny ara-nofo no hany lalana ahazoana manatona azy. Ireo mpitsabo misionera izay mikarakara ny marary sy manamaivana ny fahorian'ny mahantra dia hahita lalana betsaka hivavahana miaraka aminy, hamakiana ny tenin'Andriamanitra ho azy, ary hiresahana aminy ny amin'ny Mpamonjy. (...) Ny fitiavana tsy mihevitra ny tenany, asehony amin'ny asa feno fahalemem-panahy tsy mila zavatra, dia hahamora kokoa ho an'ireo mijaly ireo ny hino ny fitiavan'i Kristy. – TMF, tt. 107,108.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal