Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hira sy ny hafatr’Andriamanitra

Daty
Alarobia 17 September 2025

 "Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; mihirà ho an 'i Jehovah ry tany rehetra. Mihirà ho an Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan 'andro isan 'andro ny famonjeny mahafaly. " – Sal. 96:1,2.

Mofon’aina:
Efa alina vitsivitsy izay, tena sahiran-tsaina aho nandinika ny zavatra azontsika hatao mba hanehoana ny fahamarinana eo anatrehan'ny olona ao amin'ireo tanàn-dehibe ireo. Azontsika antoka fa raha mandre fotsiny ny hafatra izy ireo, dia handray ny fahamarinana ny sasany, ary hampita izany amin'ny hafa.

Milaza amin'ny mpiangona ao aminy ny mpitandrina fa fampianarana mampidi-doza no entintsika aminy, ary raha mandeha mihaino izany izy ireo, dia ho voafitaka sy ho voasarik' io fampianarana hafahafa io. Ho foana ny hevitra mibahana mialoha raha voataonantsika ireo olona ireo hihaino ny fampianarantsika. Mitondra amim-bavaka io olana io isika ary mino fa hanokatra lalana ny Tompo handrenesan'ireo olona amin'izao andro farany izao ny hafatra fampitandremana sy fampianarana. 

Indray alina dia toa tao anatin'ny fivoriambe iray aho, izay nandinihana ny momba ireo olana ireo. Dia nisy lehilahy iray marina sy mendri-kaja nilaza hoe: "Mivavaha ianareo mba hananganan'ny Tompo lehilahy sy vehivavy manana talenta mba hanolo-tena ho amin'ny asa. Misy talenta maro eo anivonareo, izay mila fantarinareo." 

Soso-kevitra feno fahendrena maro no natolotra tao, dia nisy teny nolazaina, izay toy izao soratako izao ny votoatiny: "Mila jerenareo manokana ny talentan'ny fihirana, izay tokony hokolokoloina; satria ny feon'ny olombelona eo am-pihirana dia anisan'ny talenta nankinin'Andriamanitra tamintsika mba hampiasaina ho voninahiny. Mampiasa betsaka io talenta io, ary mahazo tombony lehibe amin'izany, ilay fahavalon'ny fahamarinana. Ary manjary simba sy ampiasaina amin'ny tsy izy ary manatanteraka ny fikasan'i Satana io fanomezana avy amin'Andriamanitra io, izay natao ho fitahiana ho an'ny fanahy.

 "Fitahiana io talentan'ny feo io raha toa ka atokana ho an'ny Tompo hanatanterahana ny asany. Manan-talenta [i Carrie Gribble], saingy tsy omen-danja izany. Tokony hodinihina ny momba azy, dia hahasarika olona maro ny talentany, ka handre ny hafatry ny fahamarinana izy ireo." — Ev, tt. 497,498. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal