"Lazao any amin 'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; hitsara ny olona amin 'ny fahamarinana Izy." Sal. 96:10.
Mofon’aina:
Totokony ho tonga saozanina ara-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy noho ny fifandraisany amin'ny fiangonana, fa tokony hahery, hisandratra, ho mendrika, ary ho vonona ho amin' ilay asa masina indrindra nankinina tamin'ny olona mety maty. Ny hanana tafika tsara ofana, vonona hirotsaka an-tsehatra amin 'ny fotoana rehetra, no tanjon'Andriamanitra. Lehilahy sy vehivavy manaraka tsara ny fitsipi-pifehezana no handrafitra io tafika io, dia olona milefitra eo ambanin'ilay fahefana nanomana azy ireo ho amin'ny fanompoana.
Tokony hiambina sy hiahy ireo fanahy vonjena, tahaka ny olona tsy maintsy hampamoahina, ny mpiasan' Andriamanitra. Ary mila an'i Kristy mitoetra ao am-pony izy ireo mba hahafahany mambabo fanahy ho Azy. Tsy maintsy mahafoy ny zava-drehetra ho an'Andriamanitra izy ireo, mba hahafahany milaza sy manazava amin'ireo izay iasany fa ilaina ny fahafoizan-tena tanteraka. Aoka tsy hohadinoiny fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izy ireo, ka tsy maintsy mitandrina mba tsy hangataka andro na hisalasala. Tsy mitandro hasasarana i Satana mitady hirika hahazoany mifehy ireo izay ezahin'ny mpiasan'Andriamanitra hobaboina ho an'i Kristy. Amin'ny alalan'ny fiambenana tsy mitsahatra ihany no ahafahan'ireo mpiasan'i Kristy manohitra ny fahavalo. Amin'ny herin'Ilay Mpanavotra irery ihany no ahafahan'izy ireo mitaona izay alaim-panahy ho eo amin'ny hazo fijaliana. Tsy ny fahalalana na ny fahaizana mandaha-teny no hahatanteraka izany, fa ny fanehoana ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, amim-pahatsorana sy miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina. (...)
Tsy natao hotorina am-bava fotsiny ny fahamarinana; tsy maintsy hiainan'ireo izay miasa ho an'i Kristy izany. Manara-maso sy manombana ireo izay mitonona ho mino ireo fahamarinana miavaka ho an' izao andro izao ny olona. Jereny raha maneho an' i Kristy tokoa ny fiainan'izy ireo. Ny fanoloran-tenan 'ny vahoakan 'Andriamanitra hanao soa amin'ny olona rehetra amim-panetren-tena sy fahamarinana, dia hiasa ary hisy fiantraikany amin'izay rehetra mifanerasera aminy. Raha manao tsara izany asa izany ireo izay mahalala ny fahamarinana isaky ny misy hirika azo hararaotina, ka maneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin'ny asany isan' andro eo amin'ny faritra misy azy, dia hiseho eo amin'ny fiainany i Kristy. — RH, 2 Jona 1903.