"Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan 'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran 'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan 'Andriamanitra izy." - Heb. 11:5.
Mofon’aina:
Manana asa lehibe atao ny Tompo, ary hamela lova be indrindra ho an'izay mahatoky indrindra sy miasa amim-paharisihana eo amin'ny fiainana ankehitriny Izy any amin'ny fiainana ho avy. Ny Tompo no mifidy ny mpiasany, ary isan'andro amin'ny toe-javatra samihafa dia misedra azy Izy eo amin'ny drafitry ny asa ataony. Ao anatin'ny fiezahana rehetra atao amin'ny fo marina hanatanteraka ny fikasany no ifidianany ny mpiasany, tsy noho ny fahatanterahany anefa, fa satria mety hahatratra ny fahatanterahan'i Kristy izy ireo, noho ny firaisany Aminy.
Andriamanitra dia tsy hanaiky afa-tsy ireo izay tapa-kevitra ny hikendry ny ambony. Napetrany ho adidin'ny olombelona mpiasany ny hanao izay tsara indrindra azony atao. Takina amin'ny rehetra ny fahatanterahana ara-pitondrantena. (...) Ilaintsika ny hahatsapa fa ny tsy fahatanterahan'ny toetra dia fahotana. Ny lafin'ny toetra amam-panahy marina rehetra dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, toy ny fitambaran-javatra manontolo tanteraka sy mirindra, ary izay rehetra mandray an'i Kristy ho Mpamonjin'ny tenany manokana dia omena tombon-tsoa hanana ireo lafin-toetra ireo. (...)
Aoka tsy hisy hanao hoe: tsy afaka manitsy ny tsy mety amin'ny toetra amam-panahiko aho. (...) Ao amin'ny sitra-ponao no misy ny tsy fahazoana mivoatra. (...) Ny tena zava-tsarotra dia avy amin'ny fahalotoan'ny fo tsy nohamasinina, sy ny sitra-po tsy manaiky hilefitra eo amin'ny fifehezan ' Andriamanitra.
Betsaka ireo izay nomen' Andriamanitra fahaizana hanao asa tena tsara no tsy mahavita afa-tsy kely dia kely, satria kely no ezahiny atao. An'arivony no mandalo eto amin'ity fiainana ity sahala amin'ny tsy manana zavatra mazava hokendrena eo amin'ny fiainana, tsy misy fetra hotratrarina. Ny toy izany dia hahazo valisoa mifanaraka amin'ny asa vitany. (...)
Manàna hambom-po, ho voninahitry ny Tompo, hanolokolo ny fahasoavana rehetra eo amin'ny toetra amam-panahy. (...) Azonao atao izany; satria i Enôka dia nankasitrahany na dia velona tamin'ny fotoan'andro mivarilavo aza. Mbola misy Enôka koa amin'izao androntsika izao. — HF, tt. 338-340.