Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikendre ambony

Daty
Zoma 19 September 2025

 "Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan 'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran 'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan 'Andriamanitra izy." - Heb. 11:5.

Mofon’aina:

Manana asa lehibe atao ny Tompo, ary hamela lova be indrindra ho an'izay mahatoky indrindra sy miasa amim-paharisihana eo amin'ny fiainana ankehitriny Izy any amin'ny fiainana ho avy. Ny Tompo no mifidy ny mpiasany, ary isan'andro amin'ny toe-javatra samihafa dia misedra azy Izy eo amin'ny drafitry ny asa ataony. Ao anatin'ny fiezahana rehetra atao amin'ny fo marina hanatanteraka ny fikasany no ifidianany ny mpiasany, tsy noho ny fahatanterahany anefa, fa satria mety hahatratra ny fahatanterahan'i Kristy izy ireo, noho ny firaisany Aminy.

Andriamanitra dia tsy hanaiky afa-tsy ireo izay tapa-kevitra ny hikendry ny ambony. Napetrany ho adidin'ny olombelona mpiasany ny hanao izay tsara indrindra azony atao. Takina amin'ny rehetra ny fahatanterahana ara-pitondrantena. (...) Ilaintsika ny hahatsapa fa ny tsy fahatanterahan'ny toetra dia fahotana. Ny lafin'ny toetra amam-panahy marina rehetra dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, toy ny fitambaran-javatra manontolo tanteraka sy mirindra, ary izay rehetra mandray an'i Kristy ho Mpamonjin'ny tenany manokana dia omena tombon-tsoa hanana ireo lafin-toetra ireo. (...)

Aoka tsy hisy hanao hoe: tsy afaka manitsy ny tsy mety amin'ny toetra amam-panahiko aho. (...) Ao amin'ny sitra-ponao no misy ny tsy fahazoana mivoatra. (...) Ny tena zava-tsarotra dia avy amin'ny fahalotoan'ny fo tsy nohamasinina, sy ny sitra-po tsy manaiky hilefitra eo amin'ny fifehezan ' Andriamanitra. 

Betsaka ireo izay nomen' Andriamanitra fahaizana hanao asa tena tsara no tsy mahavita afa-tsy kely dia kely, satria kely no ezahiny atao. An'arivony no mandalo eto amin'ity fiainana ity sahala amin'ny tsy manana zavatra mazava hokendrena eo amin'ny fiainana, tsy misy fetra hotratrarina. Ny toy izany dia hahazo valisoa mifanaraka amin'ny asa vitany. (...)

Manàna hambom-po, ho voninahitry ny Tompo, hanolokolo ny fahasoavana rehetra eo amin'ny toetra amam-panahy. (...) Azonao atao izany; satria i Enôka dia nankasitrahany na dia velona tamin'ny fotoan'andro mivarilavo aza. Mbola misy Enôka koa amin'izao androntsika izao. — HF, tt. 338-340. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal