Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mijoroa ho vavolombelona 

Daty
Sabotsy 20 September 2025

"Dia talanjona ny olona tamin 'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny." - Lio. 4:32.

Mofon’aina:
Nomena toromarika aho fa arakaraka ny hanakaikezantsika ny farany, dia hisy fivoriana lehibe maro ao amin'ireo tanàn-dehibentsika (...), ka tsy maintsy miomana ny haneho ny fahamarinana mandritra ireny fivoriana lehibe ireny isika. Nanararaotra ny fotoana toy izany i Kristy fony Izy teto an-tany. Na taiza na taiza nisy olona maro nivory, na inona na inona antony, dia re ny feony mazava sy miavaka, mampita hafatra. Dia toy izany no nisian'ny olona an'arivony maro niova fo tao anatin'ny indray andro taorian'ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin'ny maty. Niorim-paka lalina tao am-pon'ny maro ny voa izay nafafin'i Kristy, ka nitsimoka, ary rehefa nandray ny fanomezan'ny Fanahy Masina ireo mpianatra, dia nangonina ny vokatra.

Nandeha sy nitory ny Filazantsara teny rehetra teny ny mpianatra. Tamin-kery tokoa no nanaovany izany hany ka azon-tahotra ireo mpanohitra azy ireo, ka tsy sahy nanao izay nokasainy hatao raha toa ka tsy tena nitohoka tamin'ny tends ny porofo fa Andriamanitra no miditra an-tsehatra.

Isaky ny misy fivorian-dehibe dia tokony hanatrika eo ny sasany amin' ireo mpitandrintsika. Tokony hanao izay ahazoana mandray fitenenana izy ireo mba hahafahany mampiseho ny fahazavan'ny fahamarinana eo anatrehan'olona maro araka izay azo atao. (...)

Amin'ny fivorian-dehibe rehetra toy izany, dia tokony hisy lehilahy sy vehivavy azon'Andriamanitra ampiasaina manatrika eo. Tokony haparitaka amin'olona toy ny ravin-kazo amin'ny fararano ireo trakta mirakitra ny fahazavan'ny fahamarinana ankehitriny. Ho tahaka ny ravin'ny hazon' aina izay fanasitranana ny firenena maro ireo trakta ireo ho an'ny ankamaroan'ny mpanatrika.

Ampitaiko aminareo izany, ranadahiko, mba hozarainareo amin'ny hafa. Izay mandroso mitory ny fahamarinana dia hotahin'Ilay nanome azy ireo ny andraikitra hitory ny fahamarinana. (...) Tonga ny fotoana, izay tsy mbola nisy hatrizay, tsy maintsy hifohazan'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ka hamirapiratany, satria tonga ny fahazavany, ary efa miposaka aminy ny voninahitr ' i Jehôvah. — Ev, tt. 35,36. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal