Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Daty
Talata 16 September 2025

"MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO"

Taorian'ilay fihemorana tamin'ny nanaovan'ny Isiraelita ombilahy kely volamena, dia nanao fanelanelanana ho an'ny vahoakan' Andriamanitra i Mosesy ary naniry ny hahazo antoka fa mbola hanohy hitarika azy ireo hatrany amin'ilay Tany Nampanantenaina Andriamanitra. Niriny fatratra tao am-pony koa ny hahalala bebe kokoa an'Andriamanitra.

Vakio ny Eks. 33:18-23. Ahoana ny fomba namalian' Andriamanitra ny fangatahan'i Mosesy ny mba hahita ny Voninahiny?

"Mba ampahitao ny voninahitrao aho" hoy ny fangatahan'i Mosesy tamin'i Jehôvah . Tamin'ny Famindrampony no nanehoan'i Jehôvah ny Voninahiny taminy Rehefa namaly ny fangatahan'i Mosesy anefa Andriamanitra, dia nampanantena ny hampiseho aminy ny "fahatsarany". Azo atao ny maka tsoa-kevitra avy amin izany fa ny voninahitr'Andriamanitra dia ny Fahatsarany, izany hoe ny Toetrany (jereo koa ny VM, L. 510 (ed. 1988); ny HF, tt. 363, 364 (ed. 1984); ny MM, tt. 260, 261 (ed. 1986)).

"Voninahitr’Andriamanitra ny manome hery ny zanany, satria ininy ny hahatraran'ireo ny tanjona ambony indrindra eo amin'ny fiainana ara-panahy." -VM, t. 466 (ed. 1988). Voninahitra ho Azy ny handray ny mpanota mibebaka (jereo ny MM, t. 545 (ed. 1986) sy hanome izay rehetra ilaina mba hanova azy ireo. "Voninahitra" ho antsika koa ny haneho ny Toetrany eo amin'ny fiainantsika sy hampahafantatra izany amin'ny hafa.

Tsy maintsy aseho eo amin'ny asantsika izany fanehoana taratra ny toetran Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny halemem-panahiny sy ny fitiavany mamy Izany. Amin'izany no hahatonga antsika ho fitahiana ho an'izao tontolo izao no sady fahazavana mamirapiratra ho an'izao rehetra izao izay manara-maso antsika. Araka izay nambaran'i Paoly hoe: "Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidina izahay Apôstôly , dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizȧhan'izao rehetra izao, na anjely na olona." - 1 Kôr. 4:9. Izany fomba fijery mahafaoka an'izao rehetra izao izany no manome heviny sy tanjona ho an'ny fiainantsika, hevitra sy tanjona izay tsy hain'ny fisainantsika hotakarina akory.

Hoy i Paoly ao amin'ny Rôm. 2:4: "(...) ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka." Izany hoe, ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny toetrany no mandresy lahatra ny olona ny amin'ny fahotan'izy ireo sy ny filany famonjena. Aseho antsika ny fanambarana lehibe indrindra momba ny Fahatsarany sy ny Toetrany rehefa mijery ny hazo fijallana isika ary mahalala Ilay nihantona teo (ny Tompo) sy ny antony nahatonga Azy teo satria tiany isika ary izany no hany fomba ahafahana mamonjy antsika.

Manao ahoana ny habetsahan'ny fotoana atokanao hifantohana amin'ny hazo fijaliana sy izay ambaran'izany aminao momba ny toetran'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal