Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.

Daty
Alarobia 17 September 2025

NY FANAMBARAN'ANDRIAMANITRA MOMBA NY TENANY

Vakio ny Eks. 34:1-28. Ahoana no nanehoan'i Jehôvah ny voninahiny tamin'i Mosesy?

Nasain'i Jehovah nitondra vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha Izay novakivakiny Mosesy (Eks. 32:19). Hihaona amin'Andriamanitra ao an-tendrombohitra Sinay izy; fanimpitony izao. Voalaza ao amin'ireto andininy manaraka ireto ny fiakarany tany an-tendrombohitra teo aloha: (1) Eks. 19:3,7, (2) Eks. 19:8,14; (3) Eks. 19:20,25; (4) Eks. 20:21 sy Eks. 24:3; (5) Eks. 24:9, 12-18; Eks. 32:15; (6) Eks. 32:30,31. Vao maraina no nanombohan'i Mosesy niakatra ny tendrombohitra.

Efa vonona ny handray ny fanehoana be voninahitra ny toetran'Andriamanitra izao i Mosesy. Ao amin'ny fanambarana mahatalanjona ataon'Andriamanitra momba ny Tenany no anazavana amin'ny fomba tsara indrindra ny hakanton'ny toetrany. Izany no fanoritsoritana manan-danja indrindra momba ny toetran Andriamanitra, izay kofehy volamena mampitohy ny Baiboly iray manontolo (Nom. 14:18; Neh. 9:17; Sal. 103:8; Joe. 2:13; Jôna 4:2). Ny fanambarana momba an Andriamanitra eto no Jao. 3:16an'ny Testamenta Taloha. Any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly, dia mampihatra sy mamerina na koa manazava izany fanambaran'ilay Andriamanitra velona momba ny Tenany izany ny mpanoratra mba hahatakarana araka ny tokony ho izy ny toetran'Andriamanitra.

Rehefa nandray ny fanazavana manokana sy tsy nisy toa azy tany aloha momba ny anaran'Andriamanitra i Mosesy, dia niankohoka sady nidera an'i Jehôvah . Voasintona hankeo amin'Andriamanitra koa isika rehefa mahazo topy maso momba ny fitiavany sy ny fahasoavany, ny indrafony, ny fangorahany, ny fahatsarany, ny fahatokiany, ny famelany heloka, ny fahamasinany ary ny fahamarinany. Rehefa mahita sy mibanjina ny toetrany miavaka sy maha-te ho tia isika dia manomboka tia Azy, fitiavana izay mitarika antsika haniry ny hanompo sy hankato Azy. Satria tia antsika Izy, dia tia Azy koa isika (1 Jao. 4:19).

Ao amin'izany fanambaran Andriamanitra momba ny Tenany izany, dia manome toky an'i Mosesy Izy fa hanao asa mahagaga ho an'ny vahoakany ary hitarika azy ireo hiditra ny Tany Nampanantenaina. Nohavaoziny ny fanekena nataony tamin'izy ireo, ary nampanantena Izy fa hahita ny fiandrianany sy ny asa mahagaga ataony ireo firenena hafa. "Indro, manao fanekena Aho, ka eо anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehôvah , fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao." - Eks. 34:10.

Nilain'ny Isiraelita anefa ny nankatò an'Andriamanitra sy nanaraka fitsipika folo mazava mba hiantoka ny fahombiazan'izy ireo. Rehefa izay, dia nasain'Andriamanitra nosoratan' Mosesy ny fanambarana tao anatin'izany fanekena efa nodikaina izany (Eks. 34:27,28).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal