Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 20 September 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 35:1-36:7; Gen. 1:1; Eks. 36:8-39:31; Heb. 7:25; Eks. 40:1-38; Jao 1:14.

Tsianjery:

"Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehôvah nameno ny tabernakely. (...) Fa ny rahon'i Jehôvah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra." -Eks. 40:34,38.

Ny andraikitra fototry ny vahoakan’Andriamanitra tao amin'ny TT (tahaka ny antsika ankehitriny) dia ny miaina ao anatin'ny fifandraisana ety amin’Andriamanitra; ny miankohoka Aminy sy ny manompo Azy; ary koa. ny maneho marina ny endrik’Andriamanitra amin'ny hafa (Deo. 4:5-8).

Niafina an'Andriamanitra i Adama sy i Eva tao amin'ny Saha Edena, noho ny tahotra vokatry ny fahotan'izy ireo. Voajanahary amin'ny olombelona ny mihorohoro eo anatrehan'Andriamanitra rehefa manota, ary io tahotra io dia manova ny fomba fijerintsika ny toetrany. Ny vaovao mahafaly dia ity: Andriamanitra no manao ny dingana voalohany ho famitranam-pihavanana: noraisiny ny andraikitra hanarenana ilay fifandraisana rava. Manasa ny mpanota hiverina Aminy Izy; "Aiza moa ianao?" hoy ny antsony (Gen. 3:9).

Araka Izany, ny iraka voalohany natao hotanterahintsika dia ny maneho amin'ny manodidina antsika ny toetran'Andriamanitra sy ny asam-pitiavany ary ny fahamarinany, araka ny tokony ho izy. Rehefa voataona ho eo amin'Andriamanitra ny olona, ary resy lahatra ny amin'ny fitiavany azy tsy misy fitiavan-tena, dia hanolotra ny fiainany ho Azy izy ireo ary hankatò ny baikony rehetra, satria fantany fa mahasoa izany.

Voaporofon'ny fitoerana masina fa akaiky ny olombelona tokoa Andriamanitra, ary amin'ny alalany no nanambarana tamintsika ireo fahama-rinana lehibe indrindra, dia ny fomba amonjen’Andriamanitra izay manatona Azy amin'ny finoana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 27 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal