Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.

Daty
Alarobia 24 September 2025

NY FANATREHAN'ANDRIAMANITRA TAO AMIN'NY TABERNAKELY

Vakio ny Eks. 40:1-38. Ahoana no nahafantaran'ny Isiraelita ny fanatrehan’Andriamanitra?

Manoritsoritra ny fanokanana ny tabernakely sy ny fanomezana ny Didy Folo ny toko farany ao amin'ny Eksodosy (Eks. 40). Ny fanokanana ny tabernakely no tranga manan-danja indrindra ho an'ny Isiraely tao Sinay.

Ny voninahitr Andriamanitra dia ny fahamasinany, ny toetrany, ary ny fanatrehany feno fitiavana, izay fahatsaram-panahy tanteraka (Eks. 3:5; Eks. 33:18,19). Nameno ny tabernakely ny fanatrehany, ary hita maso toy ny rahona ny voninahitry ny Shekinah. Mifarana amin'ny fanasongadinana ny fanatrehan'Andriamanitra mitarika ny vahoakany ny bokin'ny Eksodosy, dia ny andry rahon'i Jehôvah amin'ny andro, ary ny andry afo amin'ny alina. Natao hahita marina sy mazava ny fisian'Andriamanitra ny vahoaka Hebreo, ary tsy izany ihany fa hahatsapa koa ny fanatrehany akaiky sy mahantra teo am-pitarihany azy ireo.

Nanangana ny tabernakely i Mosesy tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa (Eks. 40:2,17). Nanamasina ny zavatra rehetra momba ny taberankely koa izy - anisan'izany i Arona sy ny zanany izay nohosorana ho amin'ny fisoronana (Eks. 40:9,13-15) tamin'ny alalan'ny diloilo fanosorana. Namakivaky ny Fitoerana Masina Indrindra, ny Fitoerana Masina ary ny kianja izy, ka nanamasina izany rehetra izany ho an'i Jehôvah . Tamin'izany fomba izany no nanombohana ny fanompoana tao amin'ny fitoerana masina manontolo (jereo koa ny Nom. 7:1). Nandritra ny fanokanana ny tabernakely ihany no nahafahan'i Mosesy niditra tao amin'ny Fitoerana Masina Indrindra; taorian'izay kosa dia ny mpisoronabe ihany no afaka nanao fanompoana tao, isan-taona, tamin'ny Andro Fanavotana (Lev. 16:2,17).

Intelo no lazaina ao amin'ny Baiboly fa vita ny asa: (1) tamin'ny faran'ny herinandron’ny Famoronana (Gen. 2:1-3); (2) tamin'ny fahavitan'ny tabernakely, izay nilazana hoe: "Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra" (Eks. 40:33); ary (3) rehefa vitan'i Solomona ny asa tarnin'ny tempoly (1 Mpanj. 7:51).

lo fifandraisana misy eo amin'ny Famoronana sy ny fitoerana masin'ny isiraely io dia manondro izay hitranga rahatrizay, amin'ny fotoana hiarahan'ny Tompo monina amin'ireo voavotra any amin'ny tany vaovao, ao Jerosalema. Vaovao, izay "Tabernakelin’Andriamanitra" (Apôk. 21:2,3; ampitahao amin'ny Apôk. 22:1-4).

Amin'ireo tranga rehetra, nanomboka tamin'ny fahaterahan'i Mosesy, avy eo ny faharesen'ireo andriamanitra egyptianina nandritra ny loza 10, ny fialana tao Egypta, sy ny faharesen'ny tafika egyptianina, ary farany, ny fanambarana nataon Andriamanitra teo an-tendrombohitra Sinay, dia ny fanatrehan'Andriamanitra nameno ny tabernakely (Eks. 40:34) no faratampony.

Amin'ny fomba ahoana no mety hahatsapanao ny fanatrehan' Andriamanitra na dia ankehittiny aza? Nahoana no zava-dehibe ny fahatsapanao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal