MOSESY VAOVAO
Na dia efa maty aza Mosesy, ary i Josoa no mpitarika vaovao notendren’Andriamanitra, dia misy teboka maromaro itovian'izy ireo. Samy nilazan’ Andriamanitra ireo lehilahy roa ireo fa hitarika ny vahoakany ho any amin'ilay tany nampanantenaina ny razany. Hoy i Jehôvah tamin'i Josoa: "Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy." Jos. 1:3. I Josoa no hamita ny asa izay nampanaovina an'i Mosesy tany am-boalohany; tena Mosesy vaovao tokoa izy.
Vakio ny Eks. 33:11; Nom. 14:6,30.38; Nom. 27:18; Nom. 32:12: Deo. 1:38; Deo. 31:23 ary ny Deo. 34:9. Inona no ambaran'ireo andalan-Soratra Masina ireo amintsika momba an'i Josoa?
Tsy mbola tanteraka tsy akory ny fampanantenana momba ny "hananganan'i Jehôvah" mpami nany tahaka an'i Mosesy (Deo. 18:15) tamin'io fotoana io. Ny teny fampidirana ho an'ny bokin'i Josoa dia sady mampahatsiahy ny mpamaky ny amin'io teny fikasana io no mametraka fanantenana ao anatiny ny amin'ny hahatanterahan'izany.
Na dia efa maty aza i Mosesy dia mbola resahina ao amin'ny toko voalohany amin'ity boky ity ihany izy. Impolo no nanononana ny anarany. Raha in’efatra monja kosa no nanononana ny anaran'i Josoa. Nantsoina hoe "mpanompon'i Jehôvah" i Mosesy, fa i Josoa kosa nantsoina hoe "mpanompon'i Mosesy Jos. 1:1. Fanompoana natao tamim-pahatokiana sy tamim-pankatoavana nandritra ny fiainany manontolo no notakina tamin'i Josoa izay vao azony ny fiantsoana hoe "mpanompon'i Jehôvah " - Jos. 24:29.
Na dia miresaka momba ny fifandimbiasan'ireo mpitondra lehibe roa teo amin'ny Isiraely aza ny toko voalohany amin'ny bokin'i Josoa, dia i Jehôvah mihitsy no mpandray anjara fototra manan-danja indrindra ao. Ny Teniny no manokatra ny boky ary ny toroheviny no misongadina ao. Araka izany, dia tsy misy isalasalana ny amin'izay tena mpitarika marina ny Isiraely.
Niantso lehilahy sy vehivavy maro Andriamanitra, teo amin'ny tantara, mba hitarika ny vahoakany. Nahoana no zava-dehibe ny fahatsiarovana izay tena mpitarika marina ny fiangonana, izay tsy hita maso?