Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaraka ohatra tsara

Daty
Talata 14 October 2025

"Dia aoka hizahana eo anatrehanareo ny tarehiny sy ny tarehin ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao " (...). Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka." - Dan. 1:13-15.

Mofon’aina:

Ireo efadahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela dia nahafantatra ny nofy rehetra. Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy. Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy. Daniela 1: 17-20

lo tantara io dia mirakitra zava-dehibe ny amin'ny foto-kevitry ny fanavaozana ara-pahasalamana. Misy lesona raisina avy amin'ny fanandraman'ireo zatovo Hebreo efa-dahy ny amin'ny tokony hifadiana zava-pisotro mahamamo, sy ny tsy fanaranam-po amin'ny filana mivaona. 

Nijoro tamin'ny foto-keviny ireto zatovo Hebreo, ary tamin'ny fifaranan'ny folo andro dia hita fa tsara lavitra kokoa ny fahalalan'izy ireo raha nitaha tamin'ireo hafa izay nozahan'ny mpanjaka.

Amin'izao andro izao, dia ho faly ny Tompo raha ireo izay miomana ho amin'ilay fiainan-koavy tsy manam-pahataperana no manaraka ny ohatra nasehon'i Daniela sy ireo namany (...). Arakaraka hitomboantsika Amin’ny fahaizana mikarakara ny vatantsika no hahavonona kokoa antsika hiala amin'ny faharatsiana izay mameno izao tontolo izao amin'ny alalan'ny filàn-dratsy (...)

Tokony hianarantsika ny hampitovy fatra ny asa ataon'ny atidoha sy ny taolana ary ny hozatra. Raha asainao miasa ny saina, (...) kanefa avelanao tsy miasa ny hozatra, dia azo antoka fa ho hita miharihary ny vokatr'izany (...)Tokony hampianarina ny tanorantsika hatrany amin'ny fahazazany ny fampiasana amin'ny fomba mifandanja ny vatana sy ny saina. — GCB, 30 Mey, 1909.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal