Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampian'ny anjely

Daty
Alahady 30 November 2025

 "Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana Amiko; eny, aoka hihavana Amiko izy." lsa. 27:5.

Mofon’aina:
Betsaka amin'ireo izay mania no mahatsapa ny henatra mahazo azy sy ny fahadalany. Mijery ny fahadisoana sy ny tsy mety ataony izy ka tratry ny famoizam-po. Tsy azo atao an-tsirambina ireny fanahy ireny. Rehefa misy olona iray voatery hilomano hanohitra ny rian-drano, dia ao ny herin'ny riaka rehetra misintona azy hiverin-dalana. Aoka hisy tanana hanampy sy hamikitra azy amin' izany, tahaka ny tanan'llay Zoky Lahy namikitra an' i Petera efa nilentika tao anaty rano. Mitenena amin'ny teny feno fanantenana, teny izay hampitoetra fahatokiana sy hamoha fitiavana.

 Mila anao ny rahalahinao izay marary ara-panahy, tahaka anao mila ny fitiavan'ny rahalahinao. (...) Ny fahalalana ny fahalementsika dia hanampy antsika sy hanampy ny hafa eo amin'ny ngidin'ny fahasahiranany. Tsy tokony handalo fanahy iray mijaly velively isika, ka tsy hiezaka hizara aminy fampaherezana izay efa nampaherezan'Andriamanitra antsika.

Ny fiarahana amin'ny maha-naman' i Kristy, ny fifampikasohan'ny tena mihitsy amin'ny Mpamonjy velona no mahatonga ny saina sy ny fo ary ny fanahy handresy ny toetra ambany. (...) Ilainy [ny mpania] ny hifampitehaka amin'ny tanana feno hafanam-po, ny hatoky fo feno fitiavana. Tazony ny sainy hitoetra eo amin' ny fahatsiarovana ny fanatrehan'Andriamanitra eo anilany mandrakariva, hijery Azy mandrakariva, izay sady mangoraka no tia. (...)

Raha miditra amin'izany asa izany ianao, dia manana namana tsy hitan'ny mason' o lombelona. Teo anilan' ilay Samaritana izay nikarakara Hay vahiny maratra ny anjelin'ny lanitra. Misy anjely avy amin'ny lapan'ny lanitra izay mijoro eo anilan' izay rehetra manao ny asan'Andriamanitra amin'ny fanompoana ny mpiara-belona aminy. (...) Izy no Mpamerina amin'ny laoniny, ary raha miasa eo ambanin'ny fanarahany maso ianao, dia hahita vokatra lehibe. 

(...) I Kristy dia mitady izay rehetra to hasondrotra ho mpiara-dia Aminy, mba ho iray Aminy isika tahaka Azy iray am in' ny Ray. ( ...) Ny fanekentsika io asa fanompoana io no mametraka antsika ao amin'ny sekolin' i Kristy sy ho mendrika ny lapan'Andriamanitra. – HF, tt. 404,405. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal