Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankahala ota, tia ny fahamarinana

Daty
Talata 09 December 2025

"Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin 'i Petera sy ny Apostoly namany hoe:. Ry rahalahy, inona no hataonay? Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famélana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. " - Asa. 2:37,38.

Mofon’aina:
Ataon' ny olona ahoana ny ho mahitsy eo anatrehan' Andriamanitra? Ataon'ny mpanota ahoana ny ho marina? Tsy misy afa-tsy ao amin'i Kristy ihany no ahazoantsika hifanaraka amin'Andriamanitra amin'ny fahamasinana kanefa ataontsika ahoana no fankeo amin'i Kristy? — Maro be ny olona velom-panontaniana toy izany koa, dia toy ireo vahoaka tamin' ny andro Pentekosta, izay rehefa niaiky ny fahotany, dia nanao hoe: "Inona no hataonay?" Ka ny teny voalohany navalin'i Petera izany dia ny hoe: "Mibebaha."- Asa. 2:38. (...)

(...) Tsy afaka hiala amin'ny fahotana isika, raha tsy mahita ny maha-fahotana azy, ary raha tsy efa miala tanteraka tsara amin'izany ao am-pontsika isika dia tsy nisy fiovana tanteraka tsara amin'ny fiainantsika.

Maro ny olona no tsy mahalala akory izay atao hoe fibebahana marina. Betsaka no mahalala fa nanota, ka miova amin'ny ivelany fotsiny, satria matahotra izy, andrao hahatonga fijaliana aminy ny ratsy nataony. Tsy izany akory anefa no tena fibebahana ambaran' ny Baiboly.(...) Toy izany ny fahorian'i Esao, rehefa hitany fa very mandrakizay ny fizokiany. Balama nihorohoro, noho ilay anjely nisakan-dàlana azy, (...) koa dia niaiky ny fahadisoany izy, satria natahotra, fandrao maty, fa tsy nisy fibebahana marina akory tamin' izany. (...) Ireo rehetra ireo dia samy nitomany noho ny vokatry ny fahotana, fa tsy nalahelo noho ny fahotana.

Kanefa rehefa ny Fanahin' Andriamanitra no miditra ao am-pon' ny olona, dia tsy maintsy hifoha ny fieritreretana ary amin' izay ny mpanota dia mahatsinjo ny halalina sy ny toetra masina ananan' ny lalàn'Andriamanitra. (...) Hitany ny fitiavan'Andriamanitra sy ny hatsaran'ny fahamasinana ary ny fifaliana amin'ny fahadiovana. Ka dia iriny ny ho voadio sy ny ho sitrana indray, ka ho tafaray amin'ny Lanitra. — DIIK, tt. 23, 24. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal