MIFIKIRA AMIN'ANDRIAMANITRA
Ny hany fomba tsy hahalatsaka ny Isiraely amin'ny fakam-panahin'ny fanompoan-tsampy sy ahafahany miala ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy ny mitadidy mandrakariva ireo "aza..." ao amin'ny fanekena tsy akory, fa ny fampitomboana ny fanoloran-tena marina sy ny fahatokiana amin'i Jehôvah . Ilay matoanteny nadika hoe "mifikitra, na misarangotra" amin'i Jehovah (jereo ny Deo. 4:4), no ampiasaina koa hilazana ny fanekem-panambadiana eo amin'ny lahy sy vavy (Gen. 2:24), na ny tsy nialan'i Rota tamin'i Naomy (Rota 1:14). Zava-dehibe ny manamarika fa araka ny fijerin'i Josoa dia io fifikirana na fahatokiana io no nampiavaka ny firenen'ny Isiraely hatramin'"izao anio izao". Indrisy anefa fa tsy ho marina izany filazana izany raha ny tantaran'ny Isiraely taty aoriana no dinihina, araka ny toe-javatra mampalahelo hita ao amin'ny bokin'ny Mpitsara (Mpits. 2:2,7,11; Mpits. 3:7,12; Mpits. 4:1, sns.)
Nandrisika ny Isiraely i Josoa mba ho tia an'i Jehôvah Andriamaniny (Jos. 23:11; ampitahao amin'ny Deo. 6:5). Tsy azo terena ny fitiavana; raha tsy izany dia tsy ho fitiavana intsony ny anarany. Amin'ny lafiny inona aneta no azo atao didy ny fitiavana?
Mba hahafahan'ny Isiraely manohy misitraka ireo fitahian'ny fanekena, dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra izy ireo. Manantitrantitra fatratra ny teny hebreo nadika hoe: "Dia tandremo tsara ny fanahinareo." Ny teny hoe 'ahabah, nadika hoe "tia" dia azo ilazana karazam-pitiavana maro eo amin'ny olombelona, ao anatin'izany ny fifamatoran'ny mpisakaiza, ny firaisana ara-nofo, ny fitiavan'ny reny, ny fifandraisan'ny mpifankatia, ary ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Raha takatsika fa ny fitiavana an'Andriamanitra dia fanoloran-tena sy fanompoana Azy an-tsitrapo, dia azo atao baiko izany, ary tsy manafoana ny tena toetran'ny fitiavana (ampitahao amin'ny Jao. 13:34). Avy amin'ny fifandraisana manokana Aminy no tian'Andriamanitra ankatoavantsika ny didiny; izany no efa faniriany hatramin'izay (Eks. 19:4 ["Hianareo efa nahita ny nampankanesako anareo ho atý amiko"], Deo. 6:5, ampitahao amin'ny Mat. 22:37), dia fifandraisana miorina amin'izay nataony ho antsika noho ny famindrampony sy ny fitiavany lehibe.
Ny didy mba ho tia an'Andriamanitra dia maneho ny toetry ny fitiavan' Andriamanitra, dia fitiavana mifamaly, saingy tsy mitovy amin'ny an'ny olombelona ny fitiavany. Maniry hanana fifandraisana ety dia ety amin'izay rehetra mamaly ny fitiavany Andriamanitra. Efa tian'Andriamanitra rahateo ny olona rehetra, koa ny fitiavantsika azy dia tsy inona fa fihetsika an-tsitrapo asetrintsika ny halehiben'izany fitiavany izany.
"Didy vaovao no omeko anareo", hoy i Jesôsy tamin'ny mpianany. Amin'ny lafiny inona no maha-vaovao sady tranainy io didy io? Vakio ny Jao. 13:34, Jao. 15:17, ary ny 1 Jao. 3:11; ampitahao amin'ny Lev. 19:18.