Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiovan-toetra no vokany

Daty
Zoma 19 December 2025

 "Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy hianareo, ry taranak 'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin 'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany".–Ezek. 18:30.

Mofon’aina:

I Nikodemosy ilay manam-pahaizana dia nandalina ireo  faminaniana lehibe [toy ny 
Sal. 51:10-13; Ezek. 36:26, 27]; tsy takatry ny sainy izany fahiny, fa izao dia nanomboka nahatakatra ny tena heviny izy. Nanomboka takany koa fa na dia ny olona marina sy mendri-kaja toa azy aza dia tsy maintsy mandalo amin' ny fanandraman'ny fahateraham-baovao ao amin'i Jesosy Kristy. Izany no fepetra tokana haha-voavonjy azy sy hahafahany miditra ao amin'ny fanjakan ' Andriamanitra. (…)

(...) Tsy misy zavatra noforonin'ny olombelona mety hahasitrana ny fanahy manota. Amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny fietrena ihany, ary amin'ny fi leferana amin' ireo fitakian' ny lanitra no hahatanteraka ny asan'ny fahasoavana. (...) 

Tsy misy afa-tsy ny fanekena sy ny fampiharana ny fahamarinan'ny lanitra ihany no manokatra ny varavaran'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny fo madio sy mietry, mpankatò sy manam-pitiavana, ary mijoro amin'ny finoana sy ny fanompoana ny Tsitoha ihany no afaka hiditra any. Hoy koa i Jesosy: "Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak 'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy."- Jao. 3:14, 15. 
Ny menarana tany an'efitra dia nahantona tamin'ny hazo lava teo anatrehan'ny vahoaka, mba hahazoan'izay rehetra voakaikitry ny menarana afo ka efa ho faty mijery ilay menarana varahina, izay tandindon'i Kristy, ary ho sitrana avy hatrany. Tsy maintsy mijery amin'ny finoana anefa izy ireo, raha tsy izany, dia tsy hisy vokany izany. Toy izany koa no tsy maintsy ijeren'ny olona amin' izao andro izao ny Zanak'olona ho Mpamonjy azy, mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Nihataka tamin'Andriamanitra noho ny fahotany ny taranak'olombelona. Nitondra ny maha-Andriamanitra Azy teto an-tany i Kristy, nitafy ny maha-olombelona, mba hamonjena ny taranak'olombelona (...). Ratsy ny toetry ny olombelona, ary tsy maintsy ovana ny toetra mba hahatonga azy hifandrindra amin'ny fahadiovana sy ny fahamasinana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay. Izany fiovana izany no fahateraham-baovao.— ST, 15 Nôvambra 1883.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal