Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandry izay rehetra mibebaka izy

Daty
Alatsinainy 22 December 2025

 "Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony n’y fo vato ka homeko fo nofo izy mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriarnaniny". Ezek. 11:19,20.

Mofon’aina:
 Efa nasehon'Andriamanitra tamin'ny fomba mazava ny Sitrapony mahakasika ny famonjena .ny mpanota. Ny toe-tsaina izay hita ao amin'ny maro, ny fisalasalana sy ny tsy finoana raha toa hamonjy azy tokoa Andriamanitra na tsia, dia fisalasalana momba ny toetran' Andriamanitra mihitsy. (...)

 Horaisin'i Jehovah ny mpanota rehefa mibebaka sy mahafoy ny fahotany. (...) Ny tanjon'ny nanolorana ny Zanak'Andriamanitra noho ny fahotan'izao tontolo izao dia ny mba hamonjena ny olona, tsy ao anatin'ny fandikan-dalana sy ny tsy fahamarinana anefa, fa amin'ny alalan'ny fialana amin'ny fahotana sy ny fanasana ny toetrany mba hadio (...). Tiany raha esorina amin'ny mpanota ny zava-maniratsira rehetra izay halany, nefa tsy maintsy miara-miasa Aminy amin'izany izy ireo. Tsy maintsy afoy sy ankahalaina ny fahotana, ary raisina amin'ny finoana kosa ny fahamarinan' i Kristy. Amin'izay vao hiara-miasa amin'ny olombelona ny lanitra. 

Aoka isika hitandrina andrao hanome toerana ny fisalasalana sy ny tsy finoana ka himonomonona momba an' Andriamanitra amin'ny fanehoana toetra kivy, sary diso momba Azy mantsy no asehontsika amin'izao tontolo izao amin'izany. Milahatra hiandany amin' i Satana isika amin' izay. (…) 

(...) Aza omena vahana ilay mpaka fanahy fa -laza° hoe: "Efa maty i Jesosy mba hahavelona ahy. Tia ahy Izy any tsy sitrany ny hahavery ahy. Manana Ray any an-danitra izay be fiantra aho; ary na dia nanararaotra ny Fitiavany aza aho (...), dia hitsangana aho ka hody any amin'ny Raiko ary hanao Aminy hoe: "efa nanota (...) aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho."- Lio. 15:18, 19. 

Lazain'ny fanoharana aminao ny fomba handraisana ilay nania (...) Tahaka izany no anehoan'ny Baiboly ny fahavononan'Andriamanitra handray indray ny mpanota mibebaka sy miverina Aminy. — TFC, b: 5, ft. 631,632. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal