Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa tsara aorian'ny fifohazana

Daty
Alarobia 24 December 2025

 "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." 1 Jao. 1:9.

Mofon’aina:
Ny fanahy izay mivelona amin'ny finoana an'i Kristy dia tsy haniry afa-tsy ny hahalala sy ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Sitrak' Andriamanitra raha tanterahina amin'ny asa ny finoana an'i Kristy. Ampifandraisiny amin' ireny asa ireny ny famonjena sy ny fiainana mandrakizain'ireo izay mino, ary amin'ny alalan'ireny no anomezany ny fahazavan'ny fahamarinana izay hipariaka any amin'ny firenena sy ny olona rehetra. Izany no vokatry ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra.

Mambabo ny fo ny fahamarinana, tsy fahataitairana fotsiny izany fa tena fiverenana marina amin'ny Tompo, ary ny sitrapo ratsin'ny taranak' olombelona dia hoentina hilefitra amin'ny sitrapon' Andriamanitra. Ny fandrobana ny ampahafolon' Andriamanitra sy ny fanatiny dia fandikana ny baiko mazava nomen'i Jehovah. Mahatonga loza amin' izay mihazona azy izany satria manakana ny fitahian'Andriamanitra tsy hirotsaka aminy, fitahiana izay nampanantenainy homena ireo manana fahitsiana sy mahatoky Aminy.

Rehefa tsy vitan' i Satana ny mangej a ny fanahin'ny olona ao amin'ny vongan-dranomandrin'ny hamafisam-po, dia ezahiny indray ny hanosika azy ireo ho ao amin'ny afon'ny fandraisana tendrony. Rehefa mankeo anivon'ny vahoakany ny Fanahin'Andriamanitra, dia manararaotra miasa koa ny fahavalo ka manao izay hanimbana ny asan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny toetramanokana, feno tsy fahamasinana, hita eo amin' ireo olona samy hafa misy ifandraisana amin'izany asa izany. Mety tandindomin-doza mandrakariva ny hanao zavatra tsy amim-pahendrena izy ireo, araka izany. Maro no manao asa araka ny fiheviny manokana, nefa asa izay tsy nampanaovin'Andriamanitra akory izany.

Ny fo izay manaiky hiasan'ny Fanahin'Andriamanitra dia hifa-ndrindra amin'ny Sitrapony. Naseho ahy fa rehefa miasa amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina ny Tompo, dia tsy misy asa ataony ka mampietry ny vahoakan'Andriamanitra eo imason' izao tontolo izao fa manandratra azy ireo aza. Ny fivavahan'i Kristy dia tsy manao ireo izay mpanaraka azy ho mpitratrevatreva na tsy mahalala fomba. Manaiky ampianarina ireo izay milefitra amin'ny fahasoavana, ary vonona mandrakariva ny hianatra amin'i Jesosy sy hifanoro hevitra.- TFC, b. 5, tt. 644-647. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal