Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natao hiasa ho an’ny very.

Daty
Sabotsy 27 December 2025

"Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay miloetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. "1 Jao. 4:16. 

Mofon’aina:
“Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany” – 1 Jao. 4:12, ary tsy hay tohaina izany fitiavana izany. Rehefa tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ihany ny lehilahy sy ny vehivavy vao hahatanteraka ny lalàn’Andriamanitra.

Izay tia an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra (...) no hany afaka manome “voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” Izany no asa nataon’i Kristy, ary rehefa ankamamian’ireo mpanara-dia Azy sy ataon’izy ireo ny Asany, dia vokatra lehibe no ho azo amin’ny “fifaliana napetraka teo anoloany” ao amin’ny famonjena ireo fanahy izay nanolorany ny Ainy. (...)

Miantso izay rehetra mitonona ho mpino Azy Andriamanitra mba ho tonga mpiara-miasa Aminy ka hanolotra ny fahaiza-manao rehetra nomen’Andriamanitra azy sy ny tombontsoa lehibe hahafahany mitaona hankeo amin’i Jesôsy Kristy ireo fanahy efa ho very manodidina azy.

Izany no hany ahafahana manantena ny hisian’ny fiovan-toetra izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ireo mino, ary hanomana azy ireo ho amin’ny fiarahamonin’ny anjelin’ny lanitra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. (...)

Na iza na iza mpifanolo-bodirindrina aminao, dia tokony hotadiavina sy hiasana izy ireny. (...) Aoka ny fifandraisanao sy ny fiombonanao aminy hahazoany fahalalana bebe kokoa. Ireo voailikilika, ny tanora sy izay manan-kileman-toetra no tena asain’Andriamanitra ampiantsika. “Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka,” hoy i Kristy (Lio. 5:32). Ireo izay vonona hanetry tena mba hianatra dia omena tombambidy lehibe, ka na ny olo-manan-kaja indrindra eto amin’izao tontolo izao aza dia hahatsapa fa voninahitra ho azy ny fiarahana amin’izy ireo amin’ny dia mankany an-danitra. Ary ny anjelin’i Jehôvah dia hiara-miasa amin’ny mpiasa tahaka izany. Tokony ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana isika, mba hitoeran’i Kristy ao anatintsika toy ny loharano miboiboika ho fiainana mandrakizay. — Special Instruction Relating to the Review and Herald Office, and the Work in Battle Creek, 4-6., tt. 4-6.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal