Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fibebahana marina avy amin'ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 29 December 2025

"Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin 'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony." - Jer. 26:3.

Mofon’aina:      
Nanoratra toy izao ny Apôstôly Paoly: "Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalana, satria tsy fantatro akory ny .fitsiriritana, raha tsy ny lalana no nanao hoe : Aza mitsiriritra" - Eks. 20:17. Ny lalàna izay mampanantena fiainana ho an'izay mankato’ azy dia manonona fahafatesana koa ho an'izay mandika azy. "Ary koa" raha nilaza izy manao hoe "masina ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara" – Rom. 7:12.

Tahaky ny ahoana ny fifanoheran' izany tenin'i Paoly izany sy izay re avy eny polipitra maro ankehitriny. Nisy nilaza mantsy fa ny fankatoavana ny lalan'Andriamanitra dia tsy ilaina amin'ny famonjena; fa ny finoana an'i Jesôsy dia ampy. Raha tsy misy lalàna, dia tsy hisy fiaikena ny fahotana eo amin'ny olombelona ka tsy hisy filana fibebahana. Tsy ho hita fa ny fandikana ny Didin'Andriamanitra dia tena mahavery mihitsy, ka dia tsy hahatsapa ny vidin'ny sorona nataon'i Kristy izay hany fanantenana famonjena ho azy. Ny lalàn'Andriamanitra dia fitaovana mahatonga fibebahana marina. Tsy misy tena fibebahana marina raha tsy misy fiaikena fahotana.

Izao no ambaran'ny Soratra Masina: "fa ota ny fandikana ny lalàna" ary koa ny lalàna no ahazoana fahalalana marina ny amin'ny ota" – Rom. 3:20.

Mba hahafahana mahita ny heloka dia tsy maintsy tsaraina amin'ny filamatra Lehiben'ny fahamarinan'Andriamanitra ny toetry ny mpanota. (...) Koa rehefa ambaran'ny lalana ny fahotana dia teraka ny fanafodiny. Ny filazantsaran' i Kristy irery no afaka manome famelan-keloka. (...)

Raha tsy misy fibebahana marina dia tsy misy fiovam-po marina. Maro no kivy eto ary matetika loatra ny fanandramany no manaporofo fa tsy mahomby izy. Izany no mahatonga ny maro hamonjy fiangonana fotsiny saingy tsy tafaray amin'i Kristy akory. (...)

Eo amin'ny fahateraham-baovao dia nohavaozin'ny fahasoavan'Andriamanitra ny fo mba hirindra miaraka Aminy ho amin'ny fanarahana ny lalany. Rehefa tanteraka ity fiovana lehibe ity dia hiala avy fahafatesana ho amin'ny fiainana ny mpanota (...) Dia ho tanteraka ao amintsika ny "fahamarinan'ny lalàna" izay "tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy" – Rom. 8:4. — SP, 4:297, 298.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal