Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tombontsoa ambony omena antsika.

Daty
Alakamisy 01 January 2026

 "Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin 'ny famindrampo, noho ny halehiben 'ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin 'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin 'i Kristy Jesôsy ." - Efes. 2:4-6. 
Mofon’aina :
Nanolotra ny tenany i Kristy ho fanavotana ny taranak'olombelona, mba hahazoan'izay rehetra mino Azy ny fiainana mandrakizay. Ireo izay mankasitraka izany sorona lehibe izany dia mandray avy amin'ny Mpamonjy ny fanomezana sarobidy indrindra: fo madio. Fanandramana sarobidy lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa no azony. Miara-mipetraka amin'i Kristy any an-danitra izy ireo ka mifaly amin'ny firaisana Aminy ao anatin'ny fifaliana sy fiadanana izay tsy misy afaka manome afa-tsy Izy irery ihany. Tia Azy amin'ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny sy ny heriny rehetra izy ireo, noho ny fahatsapany ny tenany ho lova novidin'i Kristy tamin'ny rany. Tsy manjavozavo noho ny fomba fanao sy ny tanjona araka izao tontolo izao ny masom-panahiny, ary iray amin'i Kristy izy tahaka ny maha iray Azy amin'ny Ray.

Kristy "nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho muzoto indrindra amin'ny asa tsara" - Tit. 2:14. Fanatitra feno tokoa no nataony mba hahafahan'ny tsirairay manatratra ny fenitry ny fahatanterahana noho ny Fahasoavany. Ary toy izao no hosoratana ao amin'ny bokin'ny fiainana momba ireo izay mandray ny Fahasoavany sy manaraka ny ohatra nasehony: "Tanteraka ao Aminy, tsy misy pentimpentina na loto".

"Isaorana anie Andriamanitra Rain 'i Jesôsy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin 'i Kristy amin' ny .fitahiam-panahy rehetra any an-danitra." - Efes. 1:3. Inona no tokony mbola hangatahintsika, izay tsy ao anatin' izany fanomezana be dia be sy feno famindrampo izany? Amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy no itahiana antsika amin'ny fitahiana ara-panahin'ny lanitra rehetra ao amin'i Kristy. Tombontsoa lehibe ho antsika ny manakaiky an'Andriamanitra, mba hiaina ny Fanatrehany. (...) Tsy misy zavatra hafa mitondra fiadanana sy fahafahana ary herim-po sy tanjaka ho antsika afa-tsy ny mitoetra eo amin'ny fanatrehan'i Kristy. — RH, 30 Mey 1907.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal