Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpanavotra tokana ihany

Daty
Alarobia 07 January 2026

 "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa font' mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." - Rôm. 5:8.

Mofon’aina:
Raha vao nisy ny fahotana dia efa teo ny Mpamonjy. antatr'i Kristy fa tsy maintsy hiari-pahoriana [zy, nefa nekeny ny hisolo voina ny olombelona. Raha vao nanota i Adama, dia nanolo-tena ny Zanak'Andriamanitra ho Antoka ho an'ny taranak'olombelona.

(...) Nahoana Izy no nanao izany? Satria Izy irery ihany no afaka manavotra ilay taranaka lavo. (...) Nidina avy teo amin'ny seza fiandrianany any an-danitra Ilay Zanak'Andriamanitra, napetrany ny fitafiana maha Mpanjaka Azy sy ny satroboninahiny, ka nosaronany ny maha olombelona ny maha Andriamanitra Azy. Tonga lzy mba ho faty ho antsika, hatory ao am-pasana tahaka izay tsy maintsy ataon'ny olona, ary hatsangana ho fanamarinana antsika. Tonga [zy mba hillaran'ireo fakam-panahy rehetra atrehin'ny olombelona. Nitsangana avy tao am-pasana Izy ary avy teo (...) no nanambarany hoe: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana." I lay manam-pitoviana amin'Andriamanitra no nandalo tamin'ny fahafatesana noho ny amintsika (...) mba hahatonga ny olona rehetra hahazo anjara amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny alalany.

Niakatra ho any an-danitra i Kristy (...). Nentiny ho any amin'ny lapan'ny lanitra ny maha °lona Azy, ary mandritra ireo taona mandrakizay no hitondrany izany amin'ny maha Mpanavotra ny taranak'olombelona Azy any amin'ny tanànan'Andriamanitra, dia Ilay manao izao fanambarana izao eo anatrehan'ny Ray: "efa vitako Combo-kavatsa eo am-pelatanako ianao." Mitoetra eo amin'ny felatanany ny marik'ireo ratra izay nampitondraina Azy. Raha toa isika maratra sy torotoro, na misedra zava-tsarotra, dia tsarovy ny haben'ny fahoriana niaretan'i Kristy ho antsika. (...) 

Nentin'ny Mpamonjy izay rehetra asaina entintsika anio, mba tsy hisy olombelona afaka hilaza hoe: "Tsy fantany ny fahoriako sy ny fizahan-toetra manjo ahy." Efa nampitondraina Azy avokoa ny fahoriantsika rehetra. (...)

 Nambaran'i Satana fa tsy afa-miaina tsy misy fahotana ny olom-belona. Kanefa i Kristy nandeha teo amin'izay nahatanfintohina an'i Adama sy nahalavo azy, ary tamin'ny fiainany tsy nisy ota no nametrahany ny taranak'olombelona ho eo amin'ny toerana tsara, mba hahatonga ny tsirairay ho afaka hijoro eo anatrehan'ny Ray sy hankasitrahana ao amin'ilay Malala. — RH, 9 Febroary, 1905. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal