"Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan'ny tànanao izahay rehetra." — lsa. 64:7.
Mofon’aina:
Ao amin'ny Teniny, dia ampitahain'Andriamanitra amin'ny mpanefy tanimanga ny tenany, ary ny olony no tanimanga. Mamolavola sy manefy azy ireo araka ny Endriny no asany. Ny leson'ny fileferana no tokony hianaran'izy ireo. (...) Raha omen-danja ny toromarika avy amin'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny Sitrapony ny "izaho" dia siny tsara tarehy no hivoaka avy eo an-tanan'ilay Mpanefy. - SDABC, b. 4:1154.
Miankina amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra ny hatsaran'ny fifandraisana marina amin'i Kristy; hoy lzy: "Enta ny ziogako, ka mianara amiko (...)". Ny mpiasa izay efa miaina io fanandramana io dia manana faniriana lalina ny hahalala amin'ny fahafenoany ilay fitiavana izay mihoatra ny fahalalana rehetra. (...) Ny fianarany isan'andro ao amin'ny sekolin'i Kristy no mampitombo hatrany ny fahaizany manakatra ny hevitr' ireo fahamarinana ambony indrindra izay maharitra mandrakizay. (...)
(...) Mandalo fizahan-toetra izy, satria raha tsy zahan-toetra sy diso fanantenana dia tsy hahalala na oviana na oviana fa kely ihany ny fahendreny sy ny fanandramany.
Raha mitady an'Andriamanitra amim-panetren-tena sy amim-pitokiana izy, dia hiasa hahasoa azy ny fitsapana tsirairay. Mety hahatsapa ho tsy mahomby izy indraindray, nefa izay heveriny ho tsy fahombiazana amin'ny fanatrarana ny toerana tiany hisy ny tenany no mety ho fomba hitantanan'Andriamanitra azy handroso. Mihevitra izy fa tsy nahomby, nefa izany toa tsy fahombiazana izany no midika ho fahalalany ny tenany bebe kokoa sy fitokiana miorina amin'Andriamanitra. (...) Mety manao fahadisoana izy, saingy mandray lesona mba tsy hamerina izany intsony. Miray amin'i Kristy, ilay Tena Voaloboka, izy ka afaka hitondra voa tsara ho voninahitr'Andriamanitra. (...)
Irin’ Andriamanitra isika mba ho malemy fanahy sy manetry tena ary manana fo torotoro nefa koa feno fitokiana noho ny fahafan-tarantsika ny Sitrapony. "Fa tsy nomen 'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena (...) Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, araka ny fikasany sy ny fahasoavany ...). " - 2 Tim. 1:7, 9. Ms t. 121, 1902.