"Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo." — Mat. 6:24.
Mofon’aina:
Hijoro eo ambanin'ny iray amin' ireo faneva roa ireo ny olona tsirairay eto amin' izao tonto o izao - ireo olom-boafidy sy mahatoky ho eo ambanin'ny faneva voatentin-dran'Imanoela mpanjaka, ary ny sisa rehetra kosa ho eo ambany fanevan' i Satana. (...)
Tsy misy marimaritra iraisana azo atao amin'ny herin'ny maizina. Tsy maintsy mifidy izay hiandaniany ny tsirairay. Raha toa tsy manohitra ny menarana mpanjakan' izao fahamaizinana izao isika, dia hataony izay hanagejana mafy dia mafy antsika sy ny herintsika, sy hanindronana ny fontsika. Izay rehetra mijoro eo ambany faneva voatentin-dran'ny Andrianan'ny Fiainana dia hanao an'i Satana ho fahavalony, ka hanohitra azy amin'ny herin'Andriamanitra, toy ny fanoherana fahavalo mahafaty. Handray ny fiarovan-dohan'ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahy izy ireo, dia ny Tenin'Andriamanitra izany. Ary ahoana no hataon'izy ireo mba tsy ho resy? "Mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin 'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra (...)" — Efes. 6:18.
Tokony hahay hamantatra ny loza isika. Tokony ho hitantsika ny faharatsian'ny fahotana, ka horoahin-tsika tsy ho ao amin'ny fanahintsika. Izay mpankatô ny Teny no mahafantatra fa misy hery ao amin'i Jesosy, izay manjary heriny koa amin'ny alalan'ny finoana. (...) Voatohitr'izy ireo amim-pahombiazana ny fitak'ilay menarana satria mitafy ny fiadian'Andriamanitra manontolo izy ireo. Tsy manam-potoana holanilaniana foana ny fanahy tsirairay. (...) Zava-dehibe tokoa ny fikatsahana ny mandrakizay ka tokony ho ambonin'ny asa hafa rehetra. Ny fanontaniana lehibe tokony hapetraka dia ny hoe: "Inona no to1-ony hataoko mba hovonjena aho?" lriko ny hankasitrahan'ny rehetra ny asa mahatalanjona izay nataon' Andriamanitra ho an'ny olombelona. (...) I Kristy no fanatitra feno sy ampy hamonjena izay rehetra manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany. Hitan'Andriamanitra eo arnin'ireo zanany rehetra ny endrik'llay Zanany lahitokana. Amin'ny fitiavana lehibe tsy hay lazaina no ijereny azy ireo. Ny sandrim-pitiavany no amihinany azy. Mifaly amin'ny vahoakany Andriamanitra. L, 30a, 1892.