"Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindrafo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy." - Isa. 55:7.
Mofon’aina:
Maro no tsy mandeha ao amin'ny fitokisana fa manao fanelanelanana ho antsika eo anatrehan'ny Ray i Kristy. Fantatr'i Kristy izay ilaintsika, ary hainy ny manome izay rehetra ilaintsika noho ny fahalementsika. Nandritra ny fiainany teto an-tany, dia nipetraka teo amin'ny toeran'ny mpanao fangatahana Izy, (...) ka nangataka tamin-dRainy ny hanavaozana ny heriny, mba hahazoany hery sy famelombelomana. Rehefa izay dia teny mampahery sy lesona mitondra fiononana no nentiny ho an'ny taranak'olombelona. Nanome hery hoenti-rniatrika ny adidy sy nampahatanjaka teo anatrehan'ny fitsapana rehetra ny teniny.
(...) Tokony hanaraka ny ohatra nasehon'ilay Zanak'Andriamanitra tsy nanota isika. Isan'andro isan'andro no ilantsika fanampiana sy fahasoavana ary hery avy amin'ilay Loharanon'ny hery rehetra. Aoka isika hitondra ny fanahintsika malemy eo amin'llay efa vonona ny hamonjy antsika ao anatin'ny fotoan-tsarotra rehetra. Imbetsaka loatra isika no manadino ny Tompo. Mampanaram-po ny fihetsehampo isika ka verintsika ny fandresena tokony ho azo.
Raha toa isika resy, dia aoka tsy hitaredretra fa hibebaka ary handray ny famelan-keloka izay hametraka antsika eo amin'ny toeranatsara. Raha mibebaka sy mino isika, dia ho azontsika ny hery mahadio avy amin'Andriamanitra. Omena antsika maimaimpoana ny fahasoavany mahavonjy. Omena ny olon-drehetra izay handray azy ny famelan-keloka. (...)
Heken'Andriamanitra mandrakariva ny fiaiken-keloka rafla toa ibebahana ilay ratsy vita. lzao no ambaran'ilay Raints i ka any an-danitra: "Raha velona koa Aho (...) dia tsy sitrako ny hahafatesantny ratsy fanahy, fa ny hialan 'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy." - Ezek. 33:11a. Mifaly amin'ny hiram-piravoana ireo anjelin'Andriamanitra noho ny amin'ny mpanota tsirairay izay mibebaka. Tsy misy mpanota tokony ho very. Tanteraka sy maimaimpoana ny fahasoavana mahavonjy.
Velona anatin'ny fotoam-piomanana isika izao. Ilaintsika ny hahazo fahasoavana ferro avy ao amin'ny trano fitehirizan'ny lanitra. Efa vonona ny hanome izay angatahintsika isan'andro Andriamanitra. - RH, 31 Mey 1906.