"Fa Kristy no zavatra rehetra sady amin 'ny rehetra." - Kôl. 3:11.
Mofon’aina:
I Kristy, ilay Mpamonjy sarobidy, no tokony ho zava-drehetra ho an'ny Kristianina. Ny fisainana masina rehetra, ny faniriana madio rehetra, ny tanjona araka an'Andriamanitra rehetra, dia avy amin'Ilay fahazavana sy fahamarinana ary lalana. (...) "Voahombo miaraka amin Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin 'nynofr dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak 'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." - Gal. 2:20. (...)
Noho ny herin'ny fitiavany no nandraisany ny toerantsika eto amin' izao rehetra izao sy nanasany ny Mpanapaka ny zavatra rehetra mba handray Azy ho Solontenan'ny taranak'olombelona. Noraisiny am-po izay mahakasi ka antsika (...)Nentiny ny fahameiohan'ny olona sy ny famaizana azy ireo, ary fanatitra tanteraka no natolony ho an'Andriamanitra amin' ny anaran'ny olombelona. Noho ny am i n' izany fanavotana izany, no ananany fahefana hanome ho an'ny olona fahamarinana tonga lafatra sy famonjena feno. Izay rehetra mino Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia tsy ho very fa hanana ny fiainana mandrakizay. - Ms 13, 1892.
Miray fo amin'ireo vahoaka nofidiny sy zahan-toetra i Jesosy. Asehony fa mikasika Azy manokana izay mahakasika azy ireo. (...) Rehefa avy niresaka momba ny fifandraisany amin'ny olony tamin'ny fomba samy hafa Izy, dia nanambara fa amin'ny andro lehibe fitsarana dia hitsara ny asa rehetra toy ny natao Taminy Izy.
Tsy manam-paharoa ny firaisam-pony amin'ny vahoakany. Tsy mijanona ho mpitazana fotsiny izay tsy miraika amin'ny fahoriana mety atrehin'ny vahoakany Izy. Tsy izany, fa miray fo amin'izay manjo azy ireo sy ny fahoriany Izy. Raha iharan'ny tsy rariny, na endrikendrehina, na koa atao tsinontsinona ny vahoakany, dia voarakitra any amin'ny bokin'ny lanitra ho toy ny nahatra Taminy ireo fahoriana ireo. - Ms 13, 1892.
Tahaka izao ny fomba ilazan'ny apostoly ny tombontsoa sy ny fitahiana raisin'ny zanak'Andriamanitra: "izay efa tian'Andriamanitra ho nampaha-fantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra." - Kôl. 1:27. (...) - Ms 13, 1892.