Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifandraisana mamy amin'ny Mpamonjintsika

Daty
Zoma 06 March 2026

 "Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary nyfiraisanay dia amin 'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany." - 1 Jao. 1:3.

Mofon’aina:

Tombontsoantsika ny manan-drana ny hamamin'ny fifan-  draisana am in' Ilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty. Kanefa mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy ampileferintsika amin'Andriamanitra ny "izaho". Ny fanaranam-po dia midika fa tsy mandà tena na mitondra ny hazo fijaliana isika eo am-panarahana an'i Kristy. Mihamanjavozavo ny fahitana ara-panahy rehefa mitady hanjaka ny "izaho". Miala amin'i Kristy ny masontsika ka mijery ny tenantsika mahantra. Tsy azontsika atao ny misaraka amin'i Kristy. Tsy maintsy mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy isika. (...)

Mamirapiratra ao amin'ny fanahin-tsika ny fahazavana sarobidy sy masina rehefa miray amin'i Kristy isika, mandra-pahazava ny efitrefitra rehetra ao anatintsika ka manjary fahazavana eo amin'izao tontolo izao isika, izay mitaratra ny voninahitr'i Kristy amin'ny hafa. - L, t. 46, 1903.

 Ny firaisana amin'Andriamanitra no ain'ny fanahy. Tsy haintsika hazavaina izany, na azontsika lazaina amin'ny teny kanto tsara lahatra, fa tsy misy teny mahalaza marina ny amin' izany fanandramana izany. Ny firaisantsika isan'andro amin'Andriamanitra tokoa no mahatanteraka ny fifaliantsika.

Izay manana io firaisana amin'i Kristy io dia haneho izany amin'ny fisainany sy ny teniny ary ny asany. Tsinontsinona ny fiaikem-pinoana raha tsy hita eo amin'ny teny sy ny asa ary ny voa tsara. Ny firaisan-tsaina, ny firaisam-po amintsika samy isika sy amin'i Kristy - izany no voa ateraky ny sampana tsirairain'Ilay voaloboka velona. (...)

Ny hoe mahalala an'Andriamanitra dia midika ara-Baiboly hoe iray fo sy saina amin'i Kristy, mahafantatra Azy amin'ny alalan'ny fanandraman' ny tena manokana, ary mihazona fifandraisana ety Aminy, feno fanajana amin'ny maha Mpanavotra Azy. Tsy mety hisy io firaisana io raha tsy amin'ny alalan'ny fankatoavana marina amin'ny fo. (...)

Raha manaraka ny oha-piainan'i Kristy isika, dia ny fanompoany tsy misy fitiavan-tena, ka mitoky amin'ny fahamendrehany tahaka ny zaza, ary mitandrina ny didiny, dia ho azontsika ny fankasitrahan'Andriamanitra. Hito-etra ao am-pontsika i Kristy, ary ho feno ny hanitry ny fahamarinany ny asa sy ny fiainantsika. - RH, 30 Jona 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal