Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tsiambaratelon'ny tanjaka ara-panahy

Daty
Talata 17 March 2026

 "Fa izay miandry an 'i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka." Isa. 40:31.

Mofon’aina:
Ilaina ny fitolomana amim-bavaka mba hahazoana fahombiazana. Mitondra hery ny vavaka. Efa "nandresy fanjakana (...), niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan'ny afo, (...), dia nampandositra ny miaramilan 'nyfirenena hafa" ny vavaka. — Heb. 11:33,34.

Niankinatamin'Andriamanitra i Jesosy ary niray taminy. Ao amin'ny fierena izay an'ny Avo indrindra, eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha no ankanesan'ny olona, ankehitriny sy taloha; mitoetra ao izy (...) ka asa mendrika no vokatr' izany; mihaosa ihany anefa ny finoana, tapaka ny firaisana ary voapentina ny asa atao. Ny fiainan'i Kristy kosa dia fitokiana tsy miovaova, izay tohanan'ny firaisana mitohy; ary tsy misy hokianina.

Tsy afaka hahita ny fahombiazana ambony indrindra ny Kristianina raha tsy mahafantatra ny tsiambaratelon'ny hery. Tsy maintsy manokana fotoana hisainana, hivavahana, ary hiandrasana an' Andriamanitra izy ireo mba hanavaozana ny heriny ara-batana sy ara-t.saina ary ara-panahy. Mila ny famelombelomana avy amin'ny Fanahiny izy ireo. Rehefa azony izany dia hatanjaka ny aim-panahiny. Hahazo hery ny vatana sy ny atidoha reraka, ary hahita fitsaharana ny fo trotraka. — L, 1, 1904.

Ny vavaka no ain'ny fanahy. Io no tsiambaratelon'ny herin'ny finoana. Tsy misy fomba hafa ahazoana famonjena na fiarovana ho an'ny fanahy. Mampiray mivantana ny fanahy amin'Ilay Loharanon'ny fiainana ny vavaka, ary manatanjaka ny fanandramany ara-pivavahana. — GW, tt. 254,255.

Manana ny lanjany ny vavaka iarahana amin'ny ankohonana sy ny fiangonana, kanefa ny fiainam-bavaka manokana sy ny firaisam-po mangina amin'Andriamanitra no mamelona ny aim-panahy. Tao an-tendrombohitra, niaraka tamin'Andriamanitra, no nibanjinan'i Mosesy ny modelin'ilay rafitra mahatalanjona izay natao hitoeran'ny voninahitr'Andriamanitra. Eo an-tendrombohitra miaraka amin' Andriamanitra koa, dia amin'ny toerana mitokana izay ifandraisana manokana amin'Andriamanitra, no natao hiban-jinantsika ilay filamatra ambony indrindra kasainy ho an'ny olombelona. Koa ho azontsika atao ny mamolavola ny toetrantsika mba ho tanteraka ilay teny fikasana hoe: "Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ho Andriamaniny Aho ary izy ho oloko." — 2 Kôr. 6:16. — GW, t. 254. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal