Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka ao an-tokantrano

Daty
Talata 24 March 2026

"Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin 'izany amin 'ny faharetana ,sy ny fangatahana rehetra ho an 'ny olona masina rehetra." – Efes. 6:18.

Mofon’aina:
Raha misy fotoana tokony maha trano fivavahana ny tokantrano tsirairay, dia ankehitriny izany. ( ...)

 Kanefa, amin'izao andro feno loza mahatahotra izao, dia mbola misy amin'ireo mitonona ho Kristianina no tsy manana alitara ao an-tokantranony. (...)

Anisan'ny tetika mahomby indrindra ampiasain' i Satana hanim-bana ny fanahy ny hoe: tsy ilaina loatra ny vavaka. Mitodika any amin' Andriamanitra, Ilay loharanon'ny fahendrena, ny hery sy ny fiadanana ary ny fahasambarana, ny sainaao anatin'ny vavaka. Tafiditra ao anatin'ny vavaka ny fiaikena ny maha tsara sy tonga lafatra an'Andriamanitra, ny fisaorana Azy noho ny famindrampony, ny fiaiken-keloka sy fibebahana amin'ny fahotana, ary ny fitalahoana amim-pahatsoram-po ny fitahian'Andriamanitra — na ho an'ny tenantsika, na ho an'ny hafa.

 Nivavaka tamin'ny Rainy tamin'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso i Jesosy. Ary miantso ny mpino i Paoly hoe: "mivavaha, ka aza mitsahatra." - 1 Tes. 5:17. "Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin 'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo am in 'Andriamanitra amin 'ny zavatra rehetra." – Fil. 4:6.

(...) Zon'Andriamanitra ny manome toromarika harahina rehefa mivavaka Aminy; masina sy tsy azo iadian-kevitra ny fahefany. ( ...)

Tokony hanangana fefy ho fiarovana ny zanany amin'ny alalan'ny vavaka ny ray aman-dreny. Tokony hivavaka amim-pinoana tanteraka izy ireo mba hitoeran'Andriamanitra eo aminy, sy hiarovan'ny anjely masina azy sy ny zanany amin'ny herin'i Satana lozabe. (...)

Ry ray aman-dreny, farafahakeliny, marain-tsy hariva, aoka ianareo hanandratra ny fonareo amim-bavaka sy fanetren-tena amin'Andriamanitra, ho an' ny tenanareo sy ho an' ny zanakareo. Miatrika fakam-panahy sy fitsapana mandrakariva ny olon-tianareo. Misy zava-mampitebiteby sy manafintohina eo amin'ny lalan'ny olon-dehibe sy ny tanora isan'andro; ary izay maniry hanana fiainana feno faharetana sy fitiavana ary fifaliana eo anivon'ny fanel ingelenana isan-karazany dia tsy maintsy mivavaka. Tsy mety ho azo izany fandresena izany raha tsy mametraka tanjona hentitra sy tsy miova, amin'ny fiambenana tsy tapaka, ary miaraka amin'ny fanampiana mitohy avy amin'Andriamanitra. – ST, 7 Aogositra 1884.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal