Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra

Daty
Sabotsy 18 April 2026

 "Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin 'ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin 'ireny." - Mat. 6:28,29

Mofon’aina:
Ny fitafiana miraratryny mpanjaka lehibe indrindra izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana teto an-tany dia tsy mahatoraka ny hakanton'ny lilia tsy misy pentina izay asan-tanan' Andriamanitra. ( . . .)

 Nomen'Andriainanitra antsika ireo zavatra tsara tarehy ireo ho fanehoana ny fitiavany, mba hahitantsika marina ny Toetrany. Tsy natao hivavahantsika ireo zavaboary, natao hovakintsika eo amin'izy ireo ny fitiavan'Andriamanitra. Boky mivelatra ny natiora, ka ny fandalinana azy dia hanome antsika fahalalana momba ny Mpahary, ary hisarika antsika ho eo Aminy ireo zavatra mahasoa sy tsara tarehy nomeny. (...)

"Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao arn-patana rahampitso, no ampitafin 'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana? Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hotafinay?" - Mat. 6:30,31. Betsaka ny ahiahy sy tebiteby tsapantsika mahakasika ny hoavintsika, mahakasika izay hohanintsika sy hosotrointsika ary izay hotafintsika. Miteraka harerahana be sy alahelo manafohy ny androntsika ny asa mafy sy fitebitebena mifandraika amin'ny fisehosehoana tsy mahasoa akory amin'ny fitafiana. Ny Mpamonjintsika dia tsy maniry fotsiny ny hahitantsika ny fitiavan'Andriamanitra eny amin'ny voninkazo tsara tarehy manodidina antsika, fa tiany koa ny hianarantsika avy amin'izany ny lesona momba ny fahatsorana ary ny finoana sy fitokisana tanteraka amin'ilay Raintsika any an-danitra.

Raha mikaly fatratra Andriamanitra ny hanome endrika tsara tarehy ireo zavatra tsy manam-pofon'aina, izay tapahina sy maty ao anatin'ny iray andro monia, manao ahoana re ny fiahiany fatratra sy ny fanomezany ny zavatra ilain'ireo zanany mpankatô (...)! Akory ny fahavononany hanome azy ireo ny fahasoavany ho ravaka, sy ny herin'ny fahendrena, ary ny toetra tony sy malefaka ho fihaingoana. Tsy takatry ny sain'olombelona ny fitiavan'Andriamanitra, midadasika toa an' izao tontolo izao izany, avo tahaka ny lanitra, ary maharitra mandrakizay.- The Sanitarium Patients at Goguac Lake, 16, 17. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal