Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manorina eo amin'i Kristy

Daty
Alahady 03 May 2026

«Dia izao no lazain'i Jehôvah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.» - Isa. 28:16.

Mofon’aina:
Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesôsy Kristy» - 1 Kôr. 3:11. «Ary, tsy misy famonjena amin 'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin 'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena» - Asa. 4:12. Kristy, Ilay teny, Ilay manambara an'Andriamanitra (...), eo Aminy ihany no azontsika anorenana toetra izay haharitra.

Manorina eo amin'i Kristy isika amin'ny fankatoavana ny Teniny. Tsy izay faly fotsiny amin'ny fahamarinana, no marina fa izay manatanteraka ny fahamarinana. Tsy ny faharavoravoam-panahy tsy akory no fahamasinana, fa ny fametrahana ny zavatra rehetra kosa ho eo amin'Andriamanitra, sy ny fanaovana ny sitrapon'ny Raintsika izay any an-danitra.

 Ny fivavahana dia fanatanterahana ny tenin i Kristy: tsy fanatanterahana mba hahazoana sitraka amin'Andriamanitra tsy akory, fa satria, na tsy mendrika velively aza isika, dia nandray ny fanomezana, dia ny fitiavany. Tsy ny fiaikem-pinoana fotsiny no nataon i Kristy fototry ny famonjena ny olona, fa ny finoana izay miseho amin'ny alalan 'ny asam-pahamarinana. Tsy izay voakasiky ny Fanahy ny fony, na izay milefitra tsindraindray amin'ny heriny, no zanak ' Andriamanitra, "fa izay tarihin'ny Fanahin 'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra" - Rôm. 8:14. —RH, 31 Desambra 1908.

 Zanakalahy sy zanakavavin' Andriamanitra isika, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. «Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony (...), fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin 'ny olona masina sady ankohonan 'Andriamanitra, natsangana teo ambonin 'ny fanorenan 'ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesôsy no fehizoro indrindra.» - Efes. 2:19,20. Tombontsoantsika izany. (...)

 Natao holanjaina eo amin'ny mizanan'ny fitoerana masina ny toetran'ny olona tsirairay; raha tsy mifanaraka amin'ireo tombontsoa sy fitahiana ny fivoarana ara-pitondrantena sy ara-panahy, dia asiana soratra hoe "latsa-danja" manadrify ny anarany. Ilay Fahazavan'izao tontolo izao no mpitarika antsika, ary mihamazava hatrany ny lalana, araka ny androsoantsika manaraka ny dian'i Jesosy. (...) Izay mandinika amim-panetren-tena ny toetran'i Jesôsy dia hitaratra ny endriny bebe kokoa hatrany. — RH, 19 Marsa 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal