«Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin 'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.» - Lio. 6:44.
Mofon’aina:
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin 'ny finoana hianareo, na tsia.» - 2 Kôr. 13:5. Misy fanahy sasanytonga saina rehefamamaky izany, ka manomboka mandinika avy hatrany ny fihetseham-pony tsirairay. Tsy izany anefa no tena fandinihan-tena marina. Tsy ireo fihetseham-po madinika no tokony hozahana. Ny fiainana sy ny toetra no tokony hotombanana araka ilay hany fenitry ny toetra, dia ny lalàna masin'Andriamanitra. Ny voa no manambara ny toetran'ny hazo. Ny asantsika, fa tsy ny fihetsehampontsika, no vavolombelona manambara ny momba antsika. (...)
Amin'ny alalan'ny Tenin' Andriamanitra no tsy maintsy hamaritantsika ny tena toerana misy antsika eo anatrehany. Maro no mikorontan-tsaina amin' io Iafiny io. Rehefa mahatsiaro sambatra sy faly izy ireo, dia mihevitra fa ankasitrahan' Andriamanitra. Rehefa misy fiovana kosa ka mahatsapa fahakiviana izy, dia mihevitra fa nilaozan'Andriamanitra. (...) Tian'Andriamanitra isika hatoky Azy eo am-pamakivakiana ny fiainana. (...) Fony mbola mpanota isika, dia nomen'Andriamanitra ny Zanany ho faty ho antsika. Ahoana no mbola hisalasalantsika ihany ny amin'ny fahatsarany? (...)
Kanefa, ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny adidy dia mifamatotra amin'ny fahafantarana araka ny tokony ho izy ny toetran'Andriamanitra. Misy asa lehibe tokony hatao ho an'ny Tompo. Tonga i Kristy mba hitory ny filazantsara amin'ny mahantra, ary naniraka ny mpianany hanao toy Azy koa. Toy izany no anirahany ny mpanompony ankehitriny. (...)
Ny lohahevitra goavana momba ny mandrakizay dia mitaky amintsika mihoatra noho ny fivavahana ivelambelany amin'ny alalan'ny teny sy ny fombafomba, izay andinihana ny fahamarinana toy ny voninkazo tsara tarehy any an-tokotany any ivelany. Mitaky zavatra mihoatra noho ny fivavahana feno fihetseham-po, izay tsy matoky an'Andriamanitra akory rehefa tonga ny fitsapana sy ny olana, izany. (...) "Izay manao hoe: Fantatro lzy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy mariner tokoa ny fitiavana an 'Andriamanitra. —1 Jao. 2:4,5. — RH, 28 Febroary 1907