«Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava nyfahamaizinako.» Sal. 18:28.
Mofon’aina:
Ny Tenin'Andriamanitra, izay hafatr 'i Kristy ho an'ny lovany, novidiny tamin'ny rany, no fahazavantsika. Nosoratana hitarihan-dalana antsika izany, ary raha ataontsika mpanolo-tsaina ny Teniny, dia tsy handeha amin'ny lalana tsy azo antoka isika. Aoka ny tenintsika, na ao an-trano na rehefa miaraka amin'ny olony ivelan'ny trano, ho feno hatsaram-panahy, fitiavana, ary fahadiovana. Raha mandalina ny Teniny isika ka mampiditra izany ao amin'ny fiainantsika, dia hanao fanandramana mahasalama izay haneho ny marina mandrakariva. Aoka hazoto handinika ny fontsika isika, hampitaha ny fitenintsika isan'andro sy ny fomba fiainantsika amin'ny Teniny, mba tsy hanao hadisoana. - RH, 22 Marsa 1906.
Maro ankehitriny no maneho fihetsika toy ny hoe afaka mametraka fisalasalana ny amin'ny tenin'ny Tsitoha, ny amin'ny fanapahan-keviny sy ny fitsipiny, manome fankasitrahana, na manitsy, na mamolavola izany indray, ary mamafa amin' izany araka izay tiany. Tsy misy fiarovana ho antsika velively raha ny hevitr'olombelona no mitarika antsika, fa ho voaro kosa isika raha tarihin'ny "izao no lazain'i Jehovah."
Tsy azontsika ankinina amin'ny fei latsaka noho ny fanapahan-kevitr) Mpitsara tsy mety diso ny famon. ny fanahintsika.
Izay manao an'Andriamanitra ho mpitari-dalana, sy ny Teiny ho mpanolo-tsaina, dia manana fahazavan'aina. (... ) Ao amin’ny tenin'Andriamanitra izy ireo handray ny finoany sy ny fivavahany (...) Ho fanilon'ny tongony fanazavana ny lalany tokoa ny Teniny. Mandeha araka ny fitarihan’ny Rain'ny fanazavana izy, izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fihodinana Ataon'Ilay mamindra fo sy miantra mamirapiratra toy ny fahazavana lalan'ny marina, izay mihamazava; mandra-pitataovovonan'ny andro RH, 29 Marsa 1906.
Ny Baiboly no feon'Andriamai miteny amin'ny olony. Eo pandinihantsika ny teniny velona dia tokony hahatsiaro isika Andriamanitra no miresaka amin’ny olony ao amin'ny Teniny. (...) tsapantsika ny maha zava-dehibe n’y fandinihana ny Soratra Masina, mainka hazoto kokoa isika handray izany! — RH, 22 Marsa 1906.