Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miaro amin'ny fahavalo

Daty
Sabotsy 09 May 2026

«Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.» - Sal. 37:31.

Mofon’aina:
Maro no latsaka amin'ny fahotana noho tsy fianarana ny Soratra Masina. Tsy niambina ireo ary nanjary haza mora azon'i satana. – L, 1904. 

Zava-mahagaga maro no mety ho vitan'ireo izay mifikitra amin'ny toky omen'ny tenin'Andriamanitra. Fahamarinana be voninahitra maro no hiseho eo anoloan'ny vahoakan'Andriamanitra. Hivelatra eo anatrehany ireo tombontsoa sy adidy izay tsy noheveriny velively ho hita ao ami n'ny Baiboly. Hitombo hatrany ny fahalalany ny tenin'Andriamanitra  araka ny izorany eo amin'ny lalan'ny fanetren-tena sy ny fankatoavana. (...) 

Mitondra tanjaka sy fahamboniana eo amin'ny toetra ny finoana sarobidy avy amin'Andriamanitra. Eo am-pisaintsainana ny fahatsarany sy ny famindrampony ary ny fitiavany, dia hihazava hatrany ny fahatakarana ny fahamarinany. Ho ambony sy masina kokoa ny faniriana hanana fahadiovam-po fahazavan-tsaina. Voaovan'ny fifandraisana amin' Andriamanitra ami n'ny alalan'ny fandinihana ny Teniny ny fanahy izay mitoetra ao amin'ny rivo-piainan'ny fisainana masina. Avo sy lalina ary lehibe tokoa ny fahamarinana, hany ka tsy tazana intsony ny «izaho». Mihamalefaka ny fo, ary rnilefitra amim-panetren tena sy fahatsaram-panahy ary ny fitiavana. Mitombo ny fahaiza-manao voajanahary noho ny fankatoavana masina. (...) 

Tsy tonga amin'ny fivelarany ambony sy mendrika indrindra tokony ho tratrany ny sain'ny tanora rehefa manao tsirambina ilay loharanom-pahendrena ambony indrindra izy ireo — dia ny Tenin'Andriamanitra. Lohahevitra lehibe mendrika hosainina ny hoe: isika dia ao amin'ny tontolon'Andriamanitra, eo anatrehan'ny Mpahary, nohariana araka ny endriny, ary manara-maso sy miahy antsika amim-pitiavana Izy - izay mampivelatra sy manandratra ny saina. Izay manokatra ny sainy sy ny fony hisaintsaina lohahevitra toy izany dia tsy ho afa-po amin-javatra mampientanentana fotsiny sy tsy mahasoa. (...)

Mendrika ny hodinihintsika amim-panajana fatratra ny Baiboly. Tsy tokony ho afa-po amin'ny fahalalana ivelambelany fotsiny isika, fa tokony hikatsaka sy hianatra ny hevitry ny tenin'ny fahamarinana amin'ny fahafenoany, mba ho vonton'ireo foto-kevitry ny teny masina ny saintsika. - CPTS, t. 139. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal