«Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan 'izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.» - Sal. 111:10.
Mofon’aina:
Zava-dehibe tokoa izany hoe hendry eo imason' Andriamanitra. Ny fahatahorana an' i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Fanabeazana ny fo izany, ary manan-danja lavitra noho ny fanabeazana azo avy amin'ny boky fotsiny. Tsara sy ilaina ny mandranto fahalalana momba izao tontolo izao misy antsika, nefa raha ahilitsika tsy ho ao amin'ny kajintsika ny mandrakizay, dia ho latsaka amin'ny fahadisoana tsy azo arenina intsony isika. Ho toy ny fahalalana azo avy tamin'ny fihinanana ny voan'ilay hazo voarara izany (...).
Inona no mety ho fantatry ny olona mpamaky boky sy avara-pianarana raha tsy manana fahalalana ny Tenin'Andriamanitra? Raha tsy misy ny fampianarana avy amin'ny tenin' Andriamanitra, ahoana no hahatongavantsika any amin'ilay tontolo ho avy, izay hidirantsika eo anatrehan' Andriamanitra sy hahitantsika ny tavany? Tsy misy fahendrena eto amin'izao tontolo izao, na fahalalana azo avy amin'ny boky, manome fototra marina sy azo antoka hanorenana ny mandrakizay. Tsy misy afa-tsy ny mofo avy any an-danitra no mahafa-po ny hanoanan'ny fanahy. "Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an 'izao tontolo izao. (...)
Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." — Jao. 6:33,63. (…)
Ny Tenin'Ilay Andriamanitra tokana sy marina dia tsy mety diso. Mitambatra ny fahendrena, ny fahamasinana, ny hery, ary ny fitiavana mandrakizay, manondro antsika ilay fenitra izay anombanan'Andriamanitra ny toetra. Mamaritra mazava tsara ny lalàn'ny fanjakany ny Tenin'Andriamanitra, hany ka tsy misy tokony handeha ao amin'ny maizina. Maneho taratra ny toetrany ny lalàny. Io no fenitra tsy maintsy tratrarin'ny rehetra raha te hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy misy tokony handeha an-jamba (...). Tsy nofoanana ny lalàn'Andriamanitra. Mitoetra mandrakizay izany. Nasandratra izany tamin'ny nahafatesan'i Kristy, izay naneho miharihary ny tena toetry ny fahotana.
Mahagagany famonjena ao amin'ny faneken'Andriamanitra ho Raintsika, ny faneken'ny Zanany Lahitokana ho Mpanavotra antsika, ary faneken'ny Fanahy Masina ho Mpampionona, Mpanolo-tsaina, ary Mpanamasina antsika! Eo arnin'izany fototra azo antoka izany ihany no azontsika ametrahana ny tongotsika. — Ms, 15, 1898.