Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa atao amin'ny fo

Daty
Alarobia 13 May 2026

 « Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin 'ny miafina no ampahafantarinao ahy.» - Sal. 51:6.

Mofon’aina:
Aoka ny fahamarinana ho fahamarinana ho an' izay _mandray azy, amin'ny lafiny rehetra. Tsy maintsy soratana ao am-po izany. "Fa amin 'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, at), amin'ny vava no anekena hahazoana farnonjena" — Rom. 10:10. "Tiava an 'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra" — Mar. 12:30. Izany no fanompoana eken'Andriamanitra. (...) Avy ao amin'ny fo ny loharanon'aina, ary raha tsy miandany tanteraka amin'ny Tompo izy, dia ho resin'ny fahavalo mandrakariva amin'ny alalan 'ny fakam-panahiny feno fitaka. (...)

Manana amby ampy ny famindrampo sy ny fahasoavana ary ny fiadanana efa voaomana ho antsika. Nahoana ary no raisin'ny olombelona ho toy ny ziogam-panandevozana ny fahamarinana? Satria ny fo tsy mbola nanandrana ka nizaha fa tsara Jehovah. — RH, 29 Marsa 1906.

Feno fampianaran-diso izao tontolo izao; ary raha toa ka tsy mandalina amim-pahazotoana ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika, dia hanaiky ny he vi-diso ho marina, hanaraka ny fomba amam-panaony, ary hamitaka ny fontsika. Mifanohitra amin'ny fahamarinan'Andriamanitra anefa ny foto-pampianarana sy ny fomba amam-panaon' izy ireo. (...)

Zava-dehibe sy tombontsoa indrindra ho antsika ny fahatakarana ny atao hoe fahamarinana, ary ny fivavahantsika dia tokony hasandratra amin-kafanam-po lehibe mba hotarihina ho amin'ny fahamarinana rehetra isika.

Masina, avy amin'Andriamanitra, ny fahamarinana. Tsy misy mafy onna sy mahery toa azy eo amin'ny famolavolana toetra tahaka ny an'i Kristy. Tanteraka ny fifaliana ao aminy. Rehefa lalaina ao am-po izany, dia manjary mamy kokoa noho ny fitiavan'ny olombelona ny fitiavan'i Kristy. (... ) Rehefa mamolavola ny toetrantsika ny fahamarinana araka izay hita ao amin'i Jesosy, dia hiseho ny mahamarina izany tokoa.

Rehefa saintsainin'ny mpino izany, dia hitombo hazavana sy harnirapiratra amin'ny hatsarany tany am-boalohany. Hitombo ny lanjany, hanaitra sy hamelombelona ny saina, ary handresy ny fitiavan-tena sy izay rehetra manohitra an'i Kristy ao amin'ny toetra. Hahamendrika ny faniriantsika izany, ka hahatonga antsika ho afaka hanatratra ny fenitry ny fahatanterahana sy ny fahamasinana. - RH, 14 Febroary 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal